Miombon-kevitra tanteraka amin’ireo Zanak’i Dada manerana ny Nosy ny Zanak’i Dada sy ny TIM ao Amoron’i Mania ka miandry am-pitoniana ny fiverenany an-tanindrazana.
Nivoitra izany nandritra ny fihaonana isaky ny sabotsy tanterahin’izy ireo ao amin’ny efitrano malalaky ny biraon’ny Kaominina Ambositra-I. Mitarika ny fihaonana hatrany ny CST Lova Rakotonirina miaraka amin’ireo ekipan’ny TIM ao amin’ny Faritra sy ny Distrika ary ny Kaominina. Mbola manaraka hatrany ny vaovao ao amin’ny Magro Antananarivo ireto Zanak’i Dada ao Ambositra ireto ka tsy kivy miandry ny fiverenany. Mikasika ny fivoaran’ny toe-draharam-pirenena dia nanolotra soso-kevitra amin’ny tsy tokony hiandanian’ireo iraka avy amin’ny SADC amin’ny ankolafy tokana fa handinika tsara ny zava-misy ny vahoaka ao Ambositra. Miteraka korontana hatrany eto amin’ny firenena ny fisian’izany araka ny nambaran’izy ireo. Ambaran’ireto Zanak’i Dada ao Ambositra ireto fa tsy mbola mahalala mpitondra afa tsy ny Filoha Marc Ravalomanana naongan’ny sasany izy ireo. Misy hatrany ao Ambositra ny fizaràna vaovao miseho amin’ny Faritra Amoron’i Mania ka misongadina amin’izany ny resaka tsy fandriampahalemana any an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.