Politique

Tiako i Madagasikara Tsy manana ary tsy mahafantatra kandida ankoatra an’i Marc Ravalomanana


  • Sabotsy 03 Novambra 2012

Mandeha be ny resaka any ho any, ary misy ny fivoriana amin’izany ataona vondron’olona, akaiky an’i Marc Ravalomanana teo aloha sy amin’izao fotoana izao.

 Ny hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy hody sy tsy hilatsaka ho fidiana ka hosoloin’izy ireo olona iray hafa ho tohanany no tanjon’ireto lohandohan’ny mpisorona teo sy eo anivon’ny Tiako i Madagasikara teo aloha sy ankehitriny, araka ny vaovao. Asa raha fifanojoan-javatra na tsia fa nanao antso avo amin’ireo mpitarika mitovy aminy i Zafilahy Stanislas omaly. «Tonga amin’ny kihon-dalana tsy azo hiodivirana isika. Tsy manana ary tsy mahafantatra kandida ankoatra an’i Marc Ravalomanana isika ato amin’ny ankolafy», hoy izy. Tsy tokony hohararaotina ny zava-misy ka hanaovana zavatra an-kolaka hanakanana azy tsy hody sy tsy ho kandida ka izay alaim-panahy amin’izany dia atsaharo dieny izao, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny birao politikan’ny Tiako i Madagasikara. Ampy izay ny filalaovana ny vahoaka fa ny hampilamina sy hampisondrotra ny firenena no tanjona.

 
Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT