Politique

Tiako I Madagasikara Mitaky ny fanafoanana ny fifidianana rehetra


  • Talata 03 Martsa 2020

Manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ny antoko Tiako I Madagasikara ka nanatanteraka fivoriana maika omaly.

 

 

Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana rehetra natao ny TIM, taorian’ny fanambarana sy fiaikena nataon’ny CENI momba ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Tena misy zavatra tsy nanjary ny fifidianana izay nataontsika tamin’ny 2018 sy 2019, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM Marc Ravalomanana. Zavatra efa nambaranay teto an-toerana sy tany ivelany tato anatin’ny roa taona io, hoy izy. Efa nampahafantarina izany ny vahoaka teto Madagasikara, ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny SADC, vondrona Afrikanina, Vondrona Eoropeanina ary ny Firenena Mikambana, fa tena misy zavatra tsy mety ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy manaraka ny fenitry ny fifidianana ny zava-mitranga eto Madagasikara ary iny niaiky iny ny CENI momba ireo “doublon” ana kara-panondro efa ho 1 tapitrisa mahery. Na ireo olona nilaza azy fa voafidy na lany aza dia ho sahirana satria tsy lany ara-drariny. Misy fiantraikany lehibe dia lehibe eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany satria tsy olona lanin’ny safidim-bahoaka no mitondra. Raha tiantsika ny hisian’ny fandrosoana dia tsy maintsy olona lany am-pahamarinana no mitantana ny firenena, hoy ny filoha nasionalin’ny TIM. Nitondra zava-baovao iny fanambarana nataon’ny CENI iny,  hoy hatrany ny fanazavany izay manetsika hatramin’ny voalohany hoe ny fifidianana natao teto tato anatin’ny roa taona dia tsy tomombana mihitsy. Tsy maintsy mijoro sy manana fahasahiana isika, hoy izy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT