Politique

Tiako i Madagasikara Lasa ny ESCOPOL misosoka ny UDR


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Mitohy ny fihaonana saingy miova ny toerana. Taorian’ny nandraisan’ny Tiako i Madagasikara ny Escopol tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko ao Bel’air ny talata hariva dia ny UDR Fanovana indray no tazana teny amin’ny Le Hitsy Ambohimanambola teny, omaly.

Toerana fivorian’ny Tiako i Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana ihany koa mantsy eny, sady efa nanombohana rahateo ny fihaonana famahana ny krizy raha vao niandoha tany amin’ny volana febroary 2009 tany. Anisan’ireo tazana teny Ambohimanambola ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, Andriatsizehena Benja Urbain. Nandray azy teny ny birao politikan’ny Tiako i Madagasikara notarihin’ny Sekretera jeneraliny, Mamy Rakotoarivelo.

Tsy nisy nipika ny votoatin’ny dinika. Ny hany fantatra dia ao anatin’ny lojikan’ny fahavononana hifampidinika hirosoana amin’ny fihaonana an-databatra boribory ary koa anatin’ny hetahetan’ny mpanelanelana iraisam-pirenena, tarihin’ny SADC, ny hisian’ny fifanatonana eo amin’ny samy Malagasy mialoha ny hiverenan’ny iraka eto amin’ny janoary 2011. Nanamafy izay rahateo i Mamy Rakotoarivelo, sady nanatsidika fa na misy ny fihaonana na eo aza ny dinika dia Atoa Marc Ravalomanana ihany no tompon’ny teny farany. Nambarany koa fa mitazona hatrany ny fotokeviny ity ankolafy ity dia fodiana an-tanindrazan’ny filoha Ravalomanana, ny fandraisana miaraka ireo fepetra hampisy fitoniana toy ny famoahana am-ponja ireo gadra politika ary ho mpandray anjara feno izy ireo ao anatin’ny tetezamita tenierana sy iraisana fa tsy ho mpitazana fotsiny. Manaraka eo ny fiaraha-manomana fifidianana mangarahara, demokratika, eken’ny rehetra mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena.

Tetsy andanin’izany dia nihaona tamin’ny Ankolafy Ratsiraka ny ESCOPOL omaly. Fihaonana savaranonando ihany izy ity, nifanakalozan’ny andaniny sy ankilany ny fomba fijery ny raharaham-pirenena ankehitriny sy izay ho vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao. Tamin’izay no nampahatsiahivan’ny Pr Ange Andrianarisoa fa ny filohany, ny Amiraly Ratsiraka dia efa nilaza fa manana soso-kevitra roa na telo mety hivoahana amin’ny krizy izao. Ny manjavozavo ao an-tsain’ny maro manoloana izao fifanatonana etsy sy eroa izao dia ny hoe mbola resaka ankolafy sa antoko no miresaka ? Raha antoko mantsy dia tafita izany ny hafatr’i Andry Rajoelina, raha nilaza izy fa hisintaka tsy hitarika ankolafy ary dia foana nanaraka izany ny Ankolafy Rajoelina. Hanara-dia izay koa ve ny Ankolafy Telo hafa, ka samy handeha samy mitady ireo antoko mandrafitra azy avy ? Ny fivoaran’ny raharaha no hanome ny valiny. Ny mpanao politika Malagasy rahateo tsy mahari-pery, fa maika amin’ny seza avokoa.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT