Miandry izay ho fihetsiky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny Antoko Tiako I Madagasikara manoloana ny propagandy ankolaka ataon’ny filoha manohana ny kandidan’ny IRD.
Hiafara amin’ny fitoriana, raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ary efa eo am-piketrehana izany izy ireo, raha ny nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny TIM Ramalason Olga. Tsy nandrenesam-peo hatreto ireo andrim-panjakana roa ireo, kanefa efa niseho izany teny Antananarivo Atsimondrano, Tsiroanomandidy, Antananarivo Renivohitra,… Tsy ny TIM ihany no voatohintohina amin’io toe-javatra miendrika fampiasana fahefam-panjakana io, fa ny kandida rehetra mpifaninana amin’ny IRD. Mety hampiova ny voka-pifidianana io, ary hitarika tsy fanekena izany. Tsikaritra amin’ny fihetsik’ireo kandidan’ny IRD na ny mpomba azy ireo ny endrika fanabadoana vahoaka, toy ny any Ambatondrazaka dia ambara fa tsy ho vita ny lalàm-pirenena faha-44 raha tsy IRD no lany. Ambara fa hisakana ny fampandrosoana ny TIM sy ny kandida hafa. Na iza na iza eo rehefa tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ny tetikasa iray dia mandeha foana, ary tena mitombina eto ny hoe: tsy mpanao làlana fa mpanao lalàna ny depiote.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.