Nanaitra ny sokajin’olona maro ny nahita an’ireo fitaovam-piadiana
nampiasain’ny tafika Malagasy nandritra ny lanonam-panosorana sy nametrahana tamin’ny toerana maha filoham-pirenena ny filoha Rajoelina ny 19 janoary 2019. Nisy fihetsiketsehana nataon’ny tafika mantsy tamin’izay ka isan’ny naseho tamin’izany ireo fitaovam-piadiana vaovao tsy mbola nisy nampiasa teto. Manoloana izany dia nanokatra fanadihadiana ny Vaomiera misahana ny fanadihadihana eo anivon’ny Antenimierandoholona. Notsiahivin` ny Loholona Raveloson Thierry Francis, Filoha hitarika ny vaomiera misahana ny fanadihadiana mahakasika ny fanafarana ireo fitaovam-pidiana mahery vaika teto amin’ny firenena, fa nandritra ny valan-dresaka nataon` ny Filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka ny 05 septambra 2018 no niely ny feo fa nisy nampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko teto Madagasikara. Nandritra ny fanadihadiana nataon` ny vaomiera moa dia tsy misy tonga ireo tomponandraikim-panjakana. Nisy ihany ireo solontena saingy tsy nahavaly na inona na inona. Voahitsakitsaka ny lalàna mifehy ny fampidirana fitaovam-piaidina lah. 69-11 tamin` ny 22 jolay 1971 ao amin` ny and. faha- 9 hatramin` ny faha-14. Torak`izany koa ny lalàmpanorenana eo amin` ny and. faha -48 ihany koa dia manambara fa “manomboka ny andro naovana ny fianiananana ny fe-potoana ny fe-potoana iasan` ny Filohan` ny Repoblika”. Mipetraka ny fanontaniana, hoy ity loholona: amin`ny fomba ahoana no ahafahan` ny kandidà Rajoelina naka fanapahan-kevitra ho an` ny vahoaka Malagasy? Tsy nahitana momba izany koa ireo filankevitry ny minisitra afaka manarina izany sy ny tetibola nividianana izany, hoy izy. Araka izany, nandritra ny fampielezan-kevitra no nidiran` ireo fitaovana ireo ary voamarina fa tsy ara-dalàna izany, hoy ihany izy. Mitaky ny fanadihadiana lalina amin`ireo fitaovana ireo ny vaomiera. Notsipihany kosa fa tsy natao hamelezana olona izany fa hanitsiana ny fomba fitantanana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.