Politique

Thierry Rakotonarivo – CENI Nisy nandrahona, saika nosamborina ?


  • Alarobia 04 Martsa 2020

Ny zoma 28 febroary teo no nanao tatitra ny CENI ka nampivoaka ireo tarehimarika niteraka resabe ka tonga hatrany amin’ny fitakiana fanafoanana ny fifidianana rehetra natao ny taona 2018 sy 2019.

 

 

 Ny laharan-kara-panondro miverin-droa moa no tena olana goavana, ankoatra ny anarana miverin-droa ao anaty lisi-pifidianana. Raikitra “Ra-doublon” mihitsy ny solon’anarana nomen’ny mpanara-baovao ity filoha lefitry ny CENI ity. Tatitra tsotra no nataon’ny CENI raha  ny fahafantarana azy satria nakatona vonjimaika moa ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary naverina eny amin’ny fokontany mba hohamarinin’ny olona tsirairay. Tampoka teo ny alatsinainy niteny indray Atoa Thierry Rakotonarivo fa mety avy ao amin’ireo “operateurs de saisie”, izany hoe ireo olona nampiditra ny anarana tao anaty solosaina no nahatonga ny sampona. Avy aty aminay CENI, hoy izy, ny fahadisoana. Nialohan’io izy efa nanatsidika resaka ihany koa fa ny minisiteran’ny atitany no misahana ny fanamboarana kara-panondro. Namaly bontana ny minisitry ny atitany fa tsy mitombina ny laharana miverina izany. « Gaga ny tenako raha naheno an’iny fa tsy mahafantatra ny fisian’izany mihitsy aho », hoy izy. Ny fitsirihana na “audit” nataon’ny OIF ny oktobra 2017, dia naneho fa tsy misy laharan-kara-panondro verin-droa izany. 4366 ny anarana niverin-droa, raha efa 1 tapitrisa mahery amin’izao. Nanambara ny filoha lefitry ny CENI fa ara-dalàna daholo ireo kara-panondro miverin-droa ny laharana, kanefa ny talen’ny Trano Pritim-pirenena teo aloha Atoa Angelson Randriamboavonjy ny 16 desambra 2018 dia nilaza, fa nisy kara-panondro sy kara-pifidianana tsy avy amin’izy ireo no nivoahany. Nalana moa io Tale jeneraly io. Tsy manova ny voka-pifidianana, hoy ingahy Thierry Rakotonarivo ny fisian’ireo “doublons”, resaka izay tsy maharesy lahatra ny maro. Nanova tanteraka ny tantara sy ny rivotra politika ity raharaha ity. Nandeha be ny feo fa nahazo fandrahonana ity filoha lefitry ny CENI ity ny faran’ny herinandro teo, ary toa efa saika nosamborina mihitsy aza. Maro amin’ireo olona ao anaty fitondram-panjakana no tezitra taminy satria tahaka ny namoha fota-mandry izy. Lasa nanome vahana ny mpanohitra ny amin’ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fifidianana natao teto ny zavatra nambarany. Izao anio mampiantso mpanao gazety indray ny CENI. Inoana marina fa mbola momba ity raharaha ity ihany no antony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT