“Tsy fotoanan'ny fanakorontanana intsony izao”, hoy ny mpikambana eo anivon'ny Kongresin'ny tetezamita Thierry Rabary.
Ny fandehanana mankany amin'ny fampandrosoana hahafahana mamaha ny olana eto amin'ny firenena no tokony himasoana, hoy ihany ny CT Thierry Rabary taorian'ny nahazoantsika ny filoham-pirenena vaovao. Ny fananganana ny governemanta vaovao sisa andrasana, hoy ihany ity mpikambana eo anivon'ny Kongresin'ny tetezamita iray ity. Mikasika izay governemanta izay dia nambaran'i Thierry Rabary fa governemanta hisokatra ho an'ny rehetra no ho avy eo, manana endrika toy ny parlemantera voafidy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Mety sy mahasoa ny firenena izany, hoy ihany izy ka tsy hita izay maharatsy azy. Tsara ny manamarika fa anisan'ireo solombavambahoaka nilatsaka hofidiana tany Avaradrano i Thierry Rabary. Nanana olana manokana anefa izy ka nitondra taratasy misokatra teo anivon'ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana mikasika ny fomba hahafahana manendry ireo solombavambahoaka nahazo ny laharana voalohany sy faharoa tany amin'ny toerana nilatsahany avy. Andrasana izay valin-tenin'ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana mahakasika izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.