Mikatso teo amin’ny fandrafetana ny firaketana an-tsoratra ny fihaonana omaly teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola teo amin’ny Tiako I Madagasikara sy ny UDR-Fanovana.
Raha araka ny fantatra dia mitazona manontolo izay voalazan’ilay fifanarahana faha-2, vita sonia tany Maputo I, ny Tiako I Madagasikara (ankolafy Ravalomanana), iray amin’ny mpifanandrina nivantana tamin’ny TGV sy ny Herin’ny fanovana ka nampipoaka ny krizy 2009. Dia ny fodiana an-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana, miampy ny fanonerana ny fananany rava nandritra ny 2009 arahin’ny fanafoanana ireo raharaham-pitsarana mahakasika azy ary miitra amin’ireo gadra politika 2009 sy 2010. Mandefitra (?) amin’ny fodian’ny filoha Ravalomanana ny UDR-Fanovana fa mitsivalana kosa amin’iretsy fepetra ambiny.
Tahotry ny hoavin’ny fifandraisany amin’ireo antoko hafa miara-dia tamin’ny fananganana ny FAT raha ny fahitana azy. Raha efa mandrimandry anefa ny resaka amin’ny fitsinjaran-toerana amin’ny ankapobeny dia isan’ny mbola mampifanalavitra ny roa tonta koa ny olona hapetraka amin’izany. Sahiran-tsaina ny amin-dRaharinaivo ny UDR-Fanovana, indrindra ny TGV. Hotazomina ho filohan’ny Kongresy, manahirana amin’ny Ankolafy Ravalomanana ary mety hampitsefotra ny dinika efa mba mizotra izao ihany ; hahilika indray anefa toa tsikaritra fa misy fifanarahana miafina mampifamatotra azy ireo any. Nalain’ny TGV sy UDR-Fanovana ary ny Escopol ho namana ary nomena toerana, tokoa mantsy ry Raharinaivo, satria noheverina mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena kinanjo efa tapa-taona mahery izao tsy nisy vokatra fa vao maika mikatso ny raharaha. Mbola tantara hafa koa ny Praiministry ny marimaritra iraisana.
Raha ny lojikan’izao fifanantonana sy dinika mandeha izao mantsy dia an’ny ankolafy Ratsiraka io toerana io dia izay olona arosony eo. An’ny ankolafy Zafy ny Filankevi-pirenena momba ny fampihavanana, saingy re fa malailay fonosana ny UDR-Fanovana raha ny Pr Zafy Albert no hitarika izany. Dia mihatona eo aloha ny resaka, miandry izay havoakan’ny ampitso. Mandam-piandry ny rahampitso hitohizan’ny dinika indray, raha tsy hoe hisy tsy hahandry ny andro zoma, dia mitohy ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka. Nanomboka tazana teny tamin’ny andro fahatelo omaly, raha ny tamin’ity taona ity, ry Constant Raveloson sy Herivonjy Ranaivoson avy amin’ny UdemPro. Tamin’ny ankapobeny dia milaza ny tsy hifampihantsy na hanao teny mandratra fo ireo mpandaha-teny mba hahampahomby izay dinika sy fifanantonana mandeha. Na izany aza dia mbola nanamafy ny tao fa ny fodiana an-tanindrazan’ireo filoha roalahy any an-tsesintany no hampiravona ny disadisa politika sy vahaolana amin’izao krizy izao. Hitohy anio ny hetsika eny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.