Politique

TGV-MAPAR Mahajanga Miady an-trano Ragôva sy depiote Nina…


  • Alakamisy 10 Martsa 2022

Misy tsy fifankazahoana eo amin’izy roa tonta samy mpikambana mafana fo eo anivon’ny antoko politika miaraka amin’ny fitondrana.

 Isan’ireo akaiky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina avokoa ireo tompon’andraiki-panjakana ambony roa ao amin’ny faritra Boeny ireo, dia ny governora Andriatomanga Mokhtar Salim sy ramatoa filoha lefitra ny antenimieram-pirenena faritany Mahajanga Rahantanirina Lalao dit Nina. Nandritran’ny fivahinihan-dRtoa solombavabahoaka tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray tao Mahajanga no nanazavany fa efa ho iray volana izay no miasa mafy loatra ny governora ka hatrany mifanena eny an-dalana aza tsy hitany izy, hoy ny fanazavan-dRtoa depiote. Ankoatra izay dia rehefa misy fihaonanay eny an-dalana dia misy miantso amin’ny finday hatrany io tompon’andraikitra ny faritra Boeny io raha nanamafy ny teniny i Rahantanirina Lalao depiote . Namela hafatra mihitsy ho any governora ramatoa solombavabahoaka fa « raiso ny antso izay ataoko anao fa mety misy vonjy aina no ialiko anao ». Mazava ary hita endrika avy aty ivelany fa misy tsy fifankazahoana eo amin’ireto olon’ny fitondrana. Ny vahoaka ao Mahajanga rahateo efa mahalala sy mahatsikaritra ny disadisa eo amin’izy roa tonta. Mandeha mantsy ny resaka ao an-toerana fa mety hisy fanoloana governoran’ny faritra Boeny ato ho ato. Etsy andaniny dia nanazava hatrany ny depioten’i Mahajanga I fa izy no nametraka io governora Mokhtar Andriatomanga eo amin’ny toerany raha nanazavana izany tamin’ny fahitalavitra tsy miankina. Raha ny fanontanian’ireo mpanara-baovao ao an-toerana dia mety avy amin’ity olana mampifanolana azy roa ireo ve no antony hanovana ny governora ny Boeny sa tsy mahavita ny asa izay nampandreketana azy ity farany? Raha hita amin’ny pejy facebook-n’ny governora dia toa maro hatrany ireo fidinana ifotony ataony sy ny fanamboarana foto-drafitrasa maro isan-karazany. Mety ity raharaha mampisy olana eo aminy sy filoha lefitra antenimeram-pirenena ity ve arak’izany no mety hanesorana azy eo aminy toerana maha gouvernora ny faritra Boeny. Efa ela no nisy ny olana teo amin’izy roa ireo nanomboka raharaha tsena mora ka hatramin’izao disadisa izay tsy azo afenina intsony.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT