Politique

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…


  • Zoma 21 Febroary 2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

 

 

Ny fanadihadiana dia tokony hifototra amin’ny famatsiam-bola; ny vokany eo amin’ ny lafiny sosialy sy ara-toekarena mialoha, mandritra ary aorian’ny tetikasa; ireo mponina hisitraka sy hiharan’ny tetikasa… Mampieritreritra tokoa ny fanambarana nataon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI)   farany teo. Na dia tsy voatery manao tatitra na maka hevitra amin’ny FMI dia mahagaga ihany ny tsy fahatantaran’izy ireo ny pitsopitson’ny tetikasan’ny fanjakana amin’ny findramam-bola kasaina hatao amin’ny CNaPS entina hamatsiana ireo toeram-ponenana. Io tsy fahampiana fanazavana io dia midika fa tsy nisy fanadihadiana lalina. Toy izany koa ireo tetikasa goavana: Tanàmasoandro sy Miami izay tsy mazava amin’ny mponina. Toy izany ihany koa ny tombony ara-tsosialy sy ara-toekarena. Noresahina ny famoronana asa saingy tsy mijanona amin’izany ihany. Inona no fiantraikany mivantana avy amin’ny Tanamasoandro eo amin’ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny fifamoivoizana ary ny fifamezivezena eto Antananarivo sy ny manodidina, ireo tombony ara-toekarena ho an’ny renivohitra sy ireo hisitraka trano eo anivon’ity tanàna vaovao ity ? Hatreto, mbola mangingina ny minisitera misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana. Tsy mbola misy fanendrena tale raha ny filankevitry ny ministra sy governemanta farany teo no jerena.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT