Efa nalaza tamin’ny seho ivelany hatramin’ny taona 2009 moa ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.
Tsikera mikasika ny fitondrany tamin’ny fotoan’androny avy amin’ireo mpamakafaka sy mpanao politika io. Zary nanakonana ny fiakaran’ny vidim-piainana ny hopitaly manara-penitra sy ny Coliseum na dia tsy tomombana ara-pitaovana aza. Teo indray moa dia mbola hita io fomba fanaovana politika iray io raha mijery ny mikasika ny fanamboarana ireo rova sy lapa fahiny ary ny fitokanana ireo fitohizan’asan’ny teo aloha. Mety tsy dia tena nanakona ilay IEM tsy hita ho miatomboka anefa ireo fa raha ny zava-misy hita taratra ankehitriny aloha dia tena manao izay ho afany ny fitondram-panjakana amin’ny fanaovana “Tam tam” ny fanohanana ny Barea. Toy ny tsy tsaroan’ny Malagasy tampoka teo ilay vidin-tsolika zara fa nidina nanaovana fivoriana 3 andro niaraka tamin’ny filoham-pirenena. Ireo tetikasa fananganana tanàna vaovao toy ny Tanamasoandro sy Miami ary Paris moa dia nangina tanteraka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.