Nampafantarina omaly 31 martsa 2021, fa nomen’ny Filankevitry ny minisitra alalana ny fanafainganana ny fotoana ahafahana manao
ny tolo-bidy ahafahana amin’ny fananganana “immeubles” miisa 20, ny fanaovana “réseau d’assainissement” ao Tanàmasoandro, ny fanaovana làlana, ary ny fandrindrana ny firafitry ny tanàna vaovao. Nekena ihany koa ny fanatanterahana ny tsenam-barotra manokana amin’ny fanaovana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ao anatin’ny fotoana voafetra. Rehefa misy zavatra mafampana sy fahasahiranana lehibe lalovan’ny firenena, dia tsy adinon’ny Fanjakana Rajoelina no mitanisa na milaza asa mandeha na hatao, saingy tsy hita izay tena fivoarany, raha tsy hilaza afatsy ny “téléphérique” izay nangingina kely indray aloha, ny “autoroute” izay tsy re firy indray ny akony,… ary io fa ezahina velomina hatrany indray ny resaka Tanàmasoandro. Ny fifanolanana amin’ny vahoaka tompon-tany etsy an-kilany tsy mbola tena mivaha. Misy ny fe-potoana nambara fa hamitana an’ireny, ka tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia nolazaina fa hovitaina 2 taona sy tapany. Ny krizy ara-pahasalamana tsy voafehy, ny toekarena mikorosy fahana, ny vahoaka fadiranovana,… ka asa na izany Tanàmasoandro izay tsy hoe ratsy fa tsy mahamaika izany no hihazakazahan’ny fitondrana. Efa tena manana ny hoenti-manana ve sa malaza tsy hihinana tahaka ny vilian-tsahona fotsiny? Ambara ny fahatokisan’ny mpamatsy vola, ary nolazaina tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra ny fankatoavan’ny FMI ny fanampiana amin’ny alalan’ny FEC hisitrahana 312,4 tapitrisa dolara mandritra ny 40 volana. Ny resaka sosialy sy mahaolona ireny fa mba iza no mamatsy vola ny ireo fampanantenana goavana mety hilàna hatrany amin’ny 10 miliara dolara raha kely? Asa re mba firy amin’ny 50 000 logements nampanantenaina hovitaina 5 taona no vita amin’izao? Fa na inona na inona fampanantenana izay ekena fa tsara, rehefa mikorosy fahana ny fiainam-bahoaka, rehefa tsy ny tena laharam-pahamehana sy ny famahana ny tena olona no atao, dia izay ilay hoe mihaingo ambony tsikoko.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.