Taorian’ny nahafantarana fa naaton’ny fitondram-panjakana ny fanatanterahana ilay tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izay nikasan’izy ireo
hanotofana tanimbary amina ha maro dia miarahaba ireo vahoaka eny an-toerana ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara. Tamin’ny alalan-dRamamonjisoa Regis no nanatanterahan’izy ireo izany. Fandresena lehibe ho an’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka sy ireo hery velona rehetra ny fampiatoana io asa io hoy izy. Vakoka ihany koa mantsy Ambohitrimanjaka sy ny manodidina azy hoy hatrany Ramamonjisoa Regis manana ny lazany sy ny tantarany ka tsy tokony hotsinontsinoavina. Tsy adinony nandritra izany ny naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga tany Toamasina. Nambarany fa manameloka ny fampiasan-kery feno herisetra toy ny nitranga tany an-toerana izy ireo. Takiany araka izany ny tokony hisian’ny fitoniana sy ny fifampiresahana. Ny fijerena ny sosialim-bahoaka ao Toamasina no tena maika amin’izao hoy izy noho ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana arahin’ny ady hatao amin’ny Covid 19 ho fitandroana ny fahasalaman’ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.