Politique

Tetikasa Flyover Hitsefotra ohatry ny Tana Masoandro ihany koa ?


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Notapahana mandritra ny Filankevitry ny minisitra 24 jona lasa teo fa hatomboka afaka herinandro vitsy ny dingana voalohany amin` ny asa fanamboarana an` ireo FlyOver na teteza-mihantona ambony kihon-dalana miisa roa, dia ny etsy Andohatapenaka/Ampasika, sy ny etsy Anosizato.

 

 

Raha tsiahivina, ny 15 jolay lasa teo no namoaka antso tolo-bidy mahakasika ny fanaraha-mason` ireo asa fananganana (controle et surveillance des travaux de construction des flyovers) izay nifarana tamin` ny 03 aogositra lasa teo, ny minisiteran` ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MATP) araka ny naoty lah. 013PI- MATP/PRMP/TP-RPI.20. Raha ny fantatra dia tokony amin` ny volana septambra izao ny fanombohan` ny asa ka hosantarina amin`ny fananganana an` ireo fototra miainga etsy Andohatapenaka hiampita ny reninaron` Ikopa izany. Andrasana kosa ny antso tolo-bidy amin` io asa voalohany io satria mbola tsy nandrenesana vaovao hatramin` izao. Hatreto ihany koa dia mbola tsy ahitana ny ekipan` ny minisitera tompon’andraikitra miroso amin` ny fifampiraharahana amin` ireo mponina manana anjara tany sy trano voakasiky ny fanorenana. Araka ny nambaran` ny tale jeneralin` ny asa vaventy eo anivon` ny MATP, Randrianandrasana Hajaniaina, nandritra ny tafa tamin` ny mpanao gazety ny 31 jolay teo dia “mandalo dingana maro izany rehetra izany ary efa vonona tanteraka ny fanjakana amin` ny fametrahana ireo lamina manodidina ny tetikasa. Aorian` ireo dingana ireo vao miroso amin` ny fanorenana ara-bola an` ireo olona tokony nisitraka an` izany ny fitondroam-panjakana”. Tsy maintsy hisy mantsy ny asa fanitarana indrindra mihazo any amin` ny RN1 iny kanefa dia hatreto tsy mbola voafaritra ireo olona hafindra toeram-ponenana; tsy asa ankisisika izy ity fa voasokajy ho asa goavana, izany hoe maro ireo tsy maintsy hesorina amin’ny toerana misy azy amin’izao fotoana, trano fonenana sy toeram-pivarotana. Tsiahivina ihany koa fa nanome famatsiam-bola mitentina 20 tapitrisa dolara ho entina amin’izany ny BADEA na ny Banky Arabo ho amin’ny Fampandrosoana aty Afrika. Marihana fa nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa dia nanaovana “tam-tam be”. Midika izany fa efa vonona avokoa ny fepetra rehetra saingy nahoana no mbola maro ireo teboka tsy mazava ary izao mangiana ny tetikasa. Ny toy izao anefa dia voasokajy no fitaka na “diversion” daholo amin` ny lafiny politika.Ny mampanahy sao dia ho lasa tahaka ny Tanamasoandro teny Ambohitrimanjaka ihany koa ka hanomboka tetikasa vao hoe ndao hanao fanadihadiana sy hiresaka amin’ny mponina.Mialohan’izay anefa dia nambara fa efa vonona na ny vola na ireo mpiara-miombon’antoka, naranty isaky ny mihetsika ny makety, saingy nitsefotra avy eo. Sanatria ve adalaina amin` ny zavatra hafa ny sain'ny vahoaka mba tsy hieritreritra ny gaboraraka sy ny fitantanana sadasada eto ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT