Noraisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 22 mey teo tany Antsiranana ny didy hitsivolana manova andininy sasany ao amin’ny lalàna laharana 2015-007 tamin’ny 3 martsa 2015
mikasika ny fiasan’ny Antenimierandoholona sy ny fomba fifidianana sy ny fanendrena ireo loholon’i Madagasikara. Tolo-kevitra avy amin’ny minisiteran’ny atitany io. Nambara fa didim-panjakana noraisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra no namerena ny isan’ny loholona. Raha 63 ankehitriny, dia novain’ny fanjakana Rajoelina ho 18 sisa. Mipetraka hatrany kosa fa ny 2/3 dia fidiana ary ny 1/3 kosa hotendren’ny filoha, izany hoe 12 hofidiana ary 6 hotendrena. Roa isaky ny faritany ireo fidiana. Fampiharana ny politikam-pitsitsiana no ambara fa antony, ka ny elanelam-bola dia halefa any amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Mifanaraka tsara amin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana lah.05-HCC/D3 ny 13 febroary 2019 mikasika ny lalàna laharana 2019-001 manome fahefana hanao lalàna ny filoha, taorian’ny faharavan’ny antenimieram-pirenena io, hoy ny fanjakana. Andrasana raha ho sahy hamoaka didy fampiharana an’io avy hatrany ny mpitondra fa raha ny fe-potoana iasan’ireo loholona, dia amin’ny 2021 vao ho tapitra ary tsy azo soloina ireo notendren-dRajaonarimampianina. Efa nambaran-dRajoelina fa horavany io, saingy tsy tanterany ka io indray ny hevitra miseho. Andrasana ny ambaran’ny HCC sy ny valin-kafatry ny etsy Anosikely izay ny HVM no maro an’isa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.