Natokana hiatrehana ny kere any Atsimo ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, raha ny voalazan’ny Minisitry ny vola sy ny tetibola Atoa Richard Randriamandranto omaly.
“Fantantsika fa ao anatin’ny vanim-potoana iafaran’ny hamehana ara-pahasalamana isika, kanefa tsy maintsy miatrika ny ady amin’nt kere any Atsimo. Ny andraikitra mipetraka eo antsokokay amin’ny maha maha Minisitry ny vola, dia mitsinjo hatrany ny laharam-pahamehana hapetraky ny Filoha sy ny Praiminisitra hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Ho tapitra ny fe-potoana hiasan’ny antenimierandoholona amin’izao fotoana izao, ary hisy ny fifidianana vaovao. Noho izany, ny faran’ny taona dia tsy maintsy tsinjovina ny vola eo am-pelantanana”, hoy izy. Tsy maintsy misy ny fifandaminana sao tsy hanam-bola tampoka handoavana ny karaman’ny mampianatra ohatra, hitsinjovana ireo sanatria mety ho faty mihitsy, hoy izy. Tsy maintsy misy ny fifandaminana ny fitantanana ny volam-panjakana, ary ny laharam-pahamehana no mitondra azy, fa tsy hoe misy inona, hoy ity Minisitra ity. Somary nanaitra io satria efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ny tetibolana andrim-panjakana iray. 15 miliara ariary eo ny tetibolan’ny Antenimierandoholona, 210 ny an’ny Fiadidian’ny Repoblika, ary 124 miliara ariary eo ny an’ny Primatiora. Tena fositra ho an’ny fitondrana ankehitriny ny antenimierandoholona amin’ny endriny ankehitriny, ary toa midika indray izany ankehitriny fa ny fisian’io no isan’ny tsy mampihinan-kanina ny vahoaka any Atsimo, raha jerena amin’ny fanehoan-kevitra ny Minisitry ny vola sy ny toekarena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.