Fantatra izao fa sora-bola fotsiny ihany ilay 60 miliara Ariary nambaran’ny fitondrana tetezamita fa fandraisana anjarany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 2013, fa saingy tsy voasoratra mazava ao amin’ny volavolan-dalŕna momba ny tetibolam-panjakana 2013 izy io.
Ny hany fantatra dia nahena 8 ka hatramin’ny 10% ny tetibolan’ny ministera tsirairay avy, ka mety ny ministera izany no hanao tsipaipaika hanambatra vola handoavana io volabe 60 miliara Ariary io. Ny tetibola niasana tamin’ity 2012 ity aza anefa, efa nampitaraina ministera maro fa tena tsy ampy, koa raha mihena indray izany dia asa fotsiny. Ny azo ambara koa dia tsy manam-bola hafa intsony izany ny fitondrana tetezamita ka tsy maintsy any amin’ny tetibola ampiasain’ny fanjakana amin’ny ankapobeny no tsy maintsy handrimbinana. Dia mbola mipetraka ihany ilay fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro hoe : fa nahoana moa no tsy tonga dia efa nanokanana ampahany hanaovana fifidianana ilay 100 tapitrisa dolara nomen’ny orinasa Wisco mitrandraka vy any Soalala e ? Ny tetikasa Ambatovy mbola nanolotra 25 tapitrisa dolara, vao tsy ela akory izay, 125 tapitrisa dolara no fitambaran’ireo. Koa raha boriboriana hoe 70 tapitrisa dolara no vola tsy maintsy ilaina hanaovana ny fifidianana rehetra, dia mbola manana ambim-bava 55 tapitrisa dolara anie izany ny fitondrana tetezamita e !
Efa nolaniana any amin’ny fanamboarana kianja filalaovana sy fanaovana fety moa ny vola, ary mety nampiasaina amin’ny zavatra hafa tsy mbola fantatra koa. Dia io fa tsy maintsy mangataka amin’ny any ivelany indray isika, toy ny nanaovana dinika politika teny Mahazoarivo omaly, niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeanina, izay niantona tamin’ny 2009 noho ny fanonganam-panjakana. Misy 600 tapitrisa euros tokony ho azon’i Madagasikara amin’ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana na FED andiany faha-10. Tsy ho azo anefa io volana io raha tsy miverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara, izany hoe vita ny fifidianana ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raha ny tetiandron’ny CENIT dia vita amin’ny 2013 io fifidianana io, amin’ny 2013 koa anefa no mifarana ny FED 10. Raha tsy raikitra io fifidianana io dia manjavona any ny volabe. Midika io fa dia mpifilafilain’ny olona eto isika raha mangataka vola fanampiana. Raha tena nametraka tokoa ny maha laharampahamehana ny fifidianana i Andry Rajoelina dia tsy maika nandany zavatra hafa, raha tsy hoe tsy mbola fantany tsara tokoa, angamba ny atao hoe “laharampahamehana” mandritra ny tetezamita e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.