Lany tetsy amin’ny Antenimierampirenena omaly alatsinainy 13 desambra 2021 ny volavolan-dalàna 018/2021 tamin’ny 27 Oktobra 2021 mifehy ny lalàna tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2022 na “LFI 2022”
. Nankatoavin’ny Depiote 65 tonga nivory ny fanintsiana nentin’ny antenimierandoholona ny 7 desambra, ka nolaniana tamin’izay endriny izay ny LFI 2022. Marihina fa ny tao amin’ny andininy faha-6 no nasian’ny loholona fanitsiana. Niteraka fanitsiana rijanteny sy tarehimarika tao amin’ny filazana ny antonantony (exposé des motifs) sy tao amin’ny andininy faha -15n’ity volavolan-dalàna ity io. Tafiditra ao anatin’izany fanitsiana izany ny lelavola izay mitentina 200 lavitrisa Ariary izay tafiditra ivelan'ny asa marika fanitsiana ny tetibola (Hors opérations d'ordre) izay hafindra any amin'ny Famindram-bola (Transferts) ao amin'ny Tetibolan'ny fampandehanan-draharaha (budget de fonctionnement) an'ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, izay lasa tadifitra anatin'ny asa marika fanitsiana ny tetibola (opérations d'ordre), satria fandaniana tsy mbola voafaritra mazava, no fanovana natao. Raha fehezina dia fanakisahana ny sora-bola natokana ho an'ny antoka ataon'ny Fanjakana izany. Nentina naverina nodinihina tetsy amin'ny Antenimierampirenena omaly 13 desambra 2021. Rehefa avy nandalo asam-baomiera izany dia nolaniana tao amin'ny fivoriam-be, ary hanan-kery avy hatrany manomboka ny 01 janoary 2022 aorian’ny fanamarinana azy eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana sy ny fanasoniavan’ny Filoham-pirenena azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.