Notsipahin’i Tsimbazaza am-bavafo indray Anosikely, izay tsy nikitika ny
fanovana nentin’ny depiote, fa kosa nitondra fanovana vaovao tamin’ny fandinihana sy fandaniana ny LFI 2021 ny alakamisy 10 desambra teo. Nodinihina fanindroany (2ème lecture) ny asabotsy 12 desambra 2020 teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza io Volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2021 io. Nesorin’i Tsimbazaza avokoa anefa ny fanitsiana nentin’Anosikely ka naverina sy notazomina amin’ny endriny izay nandanian’ny depiote azy teo aloha izany, ary iny no nolaniana ny sabotsy teo. Marihina fa miisa 3 ireo fanovana nentin’ny loholona dia ny famerenana ho 20% ny TVA alaina amin’ny fanafarana entona fandrehitra raha 5% no napetraka. Mbola tsy laharam-pahamehana noho ny fahantran’ny Malagasy, hoy ny tohan-kevitr’ireo loholona momba io. Fanitsiana faharoa ny fampihenana ho 7 miliara ariary ny tetibola iasan’ny loholona, raha toa ka 16 miliara izany amin’izao. Halefa makany amin’ny fanafarana sy fampiroboroboana ny vaksiny ny elanelana, ka tsy ho an’ny covid-19 irery io fa ho an’ny vaksiny ankampobeny hiatrehana ny aretina samihafa. Fahatelo ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanafarana sy famokarana vary, ka hanohanana ny tantsaha. Fandeferana avy amin’ny loholona mba tsy hisian’ny romoromo amin’izao fiafaran’ny taom-piasan’ireo loholona ankehitriny no antony nandaniana ny LFI 2021, hoy ny fanazavana, na teo aza ny lonilony toy ny fanagiazana tetibola atao io andrim-panjakana io. Nilaza ho tsy mihinana am-bolony anefa izy ireo, ka tokony jerena ihany ny laharam-pahamehana, hoy ny fanamarihana. Voatsipaka anefa ny hevitr’ireo loholona ankehitriny, izay handao tsy ho ea ny lapa maitson’Anosikely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.