Nankatoavin` ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny lalàna lah. lah.
2020-013 izay mifehy ny tetibolam-panjakana ho amin` ny taona 2021. Araka ny fanapahan-kevitra lah. 18-HCC/D3 navoakany ny 24 desambra lasa teo. Nanamarika ny HCC fa mifanaraka amin` ny lalàmpanorenana ny LFI 2021. Na dia izany aza, misy kosa ireo teboka nasian-teny mahakasika ny tetibola eo anivon` ny parlemanta eo amin` ny and. faha-9 eo amin` ity fanapahan-kevitra ity. “Heverina fa ny Parlemanta dia manana andraikitra lehibe amin'ny fifehezana ary ny famaritana ny fandaniana; tompon'andraikitra amin'ny fanomezana alalana ny fizarana loharanom-bolam-panjakana isan-taona amin'ny alàlan'ny fifidianana amin'ny tetibola;(…) fa ny parlemanta dia tokony hampiasa tsara ny fahefany amin'ny tetibola amin'ny alàlan'ny fanomezana ny tenany ny fotoana ilaina hanaovana fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny tetibola, ao anatin'ny fe-potoana voafetran'ny fandaharam-potoana lalàm-panorenana” Torak`izany koa ny and- faha-13. “Raha heverina fa aty aoriana ny fanamarinana dia hanampy amin'ny alàlan'ny fifehezana ny lalàna mifehy ny HCC amin'ny alàlan'ny tatitry ny fitsarana misahana ny kaonty; fa ny fandinihana ny vinavinan'ny vola miditra sy ny fanombanana ny fandaniam-bolam-panjakana dia maneho ny fahafenoany sy ny fifandraisany amin'ireo tanjona napetraka” hoy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Na dia maro ny adihevitra mahakasika ity tetibola ity toy ny hoe “mivangongo loatra any amin’ny filoham-pirenena avokoa ny fahefana” na “tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka velively ny tetibolam-panjakana 2021. Nahena avokoa ny anjara volan’ny ankamaroan’ny ministera ary natao tsinontsinona ny sehatra tsy miankina, izay tena hozatry ny toe-karena” dia izao mifanaraka amin` ny lalàmpanorenana, araka ny and. faha-90.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.