Politique

Tetibolam-panjakana 2013 Hafana ny adihevitra eny Tsimbazaza


  • Talata 23 Oktobra 2012

Nahavita niantso an’ireo mpikambana ety amin’ny Kongresin’ny tetezamita ihany izahay tompon’andraikitra na dia eo aza ny fahasahiranana ara-bola, hoy ny CT Vanovason Jean Adrien, Kestora faha-II eny anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity.

 Tsy mbola mivaha ny olana ara-pitaterana namonjen’ireo parlemantera ny fivoriana ety an-dapa ankehitriny, hoy izy. Tena hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fanatanterahanay ny asa ety io fahasahiranana ara-bola io ka hiangaviana ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany mba hijery azy io akaiky. Efa lesona ho anay ny amin’ny resaka fivoriana nifandimby teo ireny, hoy ity mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Kongresin’ny tetezamita ity ka rehefa ho tonga ety ilay volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana taona 2013 dia azo antoka fa hafana ny adihevitra hatao mandritra ny tapa-bolana voafaritry ny lalàna fa handinihanay azy io.

Raha ny ahiahy mipetraka amin’ny hoe fihenan’ny isan’ny parlemantera ety Tsimbazaza rehefa ho olom-boafidy no hiasa ety dia nambaran’ny Kestora Vanovason fa azo hanaovana fanitsiana ny tetibola lany raha toa ka ilaina izany. Ny zava-misy eto amin’ny Lapa aloha ankehitriny dia efa miroso amin’ny asam-baomiera mandinika ny volavolan-dalàna tonga eto am-pelatanana izahay eo am-piandrasana an’io volavolan-dalàn’ny tetibola 2013 io.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT