Politique

Tetibola 2013 Feno kajikajy hanaovan’ny FAT fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana


  • Alakamisy 22 Novambra 2012

Fitondrana gaboraraka no ho avy eto amintsika amin’izao fomba fanaovana politika eto amintsika izao, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy.

 Tsy afaka nanakatra ny tena manahirana ny mponina efa trotraky ny fahantrana akory ny ankamaroanay CT, hoy izy, ka mba afaka nitaky tamin’ny tompon’andraikitra namolavola ny tetibola 2013 ny mba hisian’ny fanohanana ara-bola amin’ny resaka fitsaboana ny vahoaka efa anaty fahantrana tsy roa aman-tany, tsy afaka mitsabo tena akory. Tahaka izany koa ny fanohanana ara-bola ataon’ny fanjakana amin’ny resaka solika mba tsy hiakaran’ny saran-dalana mampisy disadisa ankehitriny io.

Raha izao trangan-javatra izao, hoy izy, dia ho gaboraraka tanteraka ny fisondrotry ny saran-dalana tsy an-drenivohitra ihany fa amin’ny zotra rejionaly sy nasionaly koa. Tena tetezamita be lohalika no misy eto Madagasikara, hoy izy, tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fiainana satria tsy nampiharina an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra nifanarahana ka niarahana nanao sonia. Be lohalika satria izay hampanjariana mialoha ny hanaovan’ny FAT fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no nokajikajiana ao anatin’ny volavolan-tetibola 2013 io. 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT