Voasokajy ho anisan'ireo tetezamita naharitra indrindra maneran-tany ny misy eto Madagasikara amin'izao fotoana, satria ho feno efa-taona amin'ny 17 martsa 2013.
Herintaona latsaka kely taorian'ny fanonganam-panjakana teto amintsika no nanombohan'ny nantsoina hoe : "Printemps Arabe" na ny hetsi-bahoaka nandrodana ireo mpitondra tsy refesi-mandidy tany Egipta, Tonizia, Libia, Yemen kanefa efa samy mahavita fifidianana solombavambahoaka izy ireo, ny sasany aza efa nahavita fifidianana filoham-pirenena. Henjankenjana ihany ny fananganana ny tetezamita tany amin'ireo firenena Arabo ireo, saingy toa vita tao anatin'ny 18 volana ihany ny fifidianana natao. Tsara homarihana anefa fa tena ady sy fifamonoana mihitsy no nitranga tany ary nandray basy ny sivily, an'arivony ny namoy ny ainy. Tsy nitarazoka anefa ny dinika sy ny fampihavanana ary natao ny fifidianana, nanehoan'ny vahoaka ny tena heviny marina. Azo natao haingana izany satria tsy variana nanorina kianja na hopitaly na nanamboatra lalana sy mitety faritra ka mampanantena an'izao sy izao ny vahoaka ireo mpitondra tetezamita tany Egipta, Tonizia sy Libia.
Niditra an-tsehatra nanelanelana ny fikambanana isam-paritra sy ireo firenena matanjaka, izay samy miaro ny tombontsoany, fa kosa nanana hevitra sy fahalalana ary fahaizana hifanandrina tamin'izany ireo mpitondra tetezamita Arabo. Henjana dia henjana ny asan'ny diplaomasia tany amin'ireo firenena magrebianina ireo, ary azo ambara efa miroso marina ny dia ho amin'ny fanovana any an-toerana, na dia misy ihany aza eny antsefatsefany eny ny tsy fetezana. Ny teto Madagasikara izay nirehareha hoe nataon'ny firenena arabo modely tamin'ny fanaovana revolisiona tamin'ny 2009, tsy mandroso fa toa mihemotra. Ilay fahavononana politika mihitsy no tsy ananan'i Andry Nirina Rajoelina, izay nitarika ny fanonganam-panjakana teto.
Ekipa mpandrodana no niaraka taminy ka tavela irery izy rehefa tena hanarina ny firenena. Mamba noana ny ankamaroan'ireo mpanao politika, ka vao nahazo fahefana kely dia manararaotra manao izao afera rehetra izao, ny gidro tany an'ala avy no natsatsika, natao sakafon'ireo mpandringana ny boaderozy. Fanangonan-karena no nahamaika ny sasany ato anatin'izao tetezamita izao, fanenjehana sy fanagadrana ary fanapotehana fananan'olona no nandanian'ny FAT ny androny ny 2009 sy 2010. Isaky ny mipaika ny volana janoary dia milaza hanao fifidianana ny filohan'ny tetezamita, mifarana ihany ny taona, tsy hita izay zava-bita. Atao ny sonia, mody fanina avy eo, atao antsinjarany ny fampiharana ny tondrozotra, ka izay mety amin'ny tena sy ny akama ihany no atao. Efa nivadika ho lalàna neken'ny parlemanta anefa ilay izy. Manomboka izao ve izany dia, samy afaka hisafidy izay lalàna tiany ampiharina aminy sy mahametimety azy ny tsirairay ? Sa ny mpitondra ihany no afaka manaram-po ? Fampandehanan-draharaha amin'ny ankapobeny sy fikarakarana ny fifidianana no asan'ny fitondrana tetezamita, fa tsy manome fahazoan-dalana hitrandraka harena ankibon'ny tany sy hanorina fotodrafitrasa etsy sy eroa.
Tsy mahagaga mihitsy raha mikatso ny famahana ny krizy eto satria manenjika bitro maro ny mpitondra, mamy ny atsy, fy ny aroa. Ny ao anaty vilany tsy masaka, dia efa tangosana sahady ny any an-tsaha. Ny olan'ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka tsy voavaha, mikorontana isam-bolana ny oniversite manerana ny nosy, dedaka anefa ny filohan'ny tetezamita milaza fa hanorenana oniversitem-panjakana, hono, ao Antsirabe. Dia iza izany no hampianatra any ? Aiza ny vola hampiodinana azy ? Ny olona nianatra ny fitantanana dia mahalala tsara fa mila drafitra sy fandaminana ny asa atao, raha misy ny tanjona tian-kotratrarina dia efa manana ny paikady hanaovana an'iny ianao, ary manana fe-potoana mazava hahavitan'ny asa sy ny fitaovana, vola, olona mpiara-miasa ilaina amin'izany. Ary tsara kokoa ny vokatra azo rehefa mifantoka amina zavatra iray ihany aloha, ny ekipa mpiara-miasa. Misavoritaka isika eto Madagasikara ankehitriny satria, tsy mazava intsony izay tena tanjon'i Andry Rajoelina, filohan'ny tetezamita, fa dia idirany sy kitihany avokoa ny zava-drehetra. Rehefa hitany fa tsy metimety ilay laoka misy sira, dia mety hotampohiny siramamy indray angamba, raha tsy mbola mahafa-po dia dobasana rano. Andrankandrana tahaka izany no hita amin'ny fitantanana ny tetezamita. Ka inona no fiovana azo antenaina amin'izany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.