Tsy raikitra fa hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola fantatra ny fivoriana nokasain’ny Troika Sadc natao tany Dar Es Salam ny faran’ny herinandro teo, handinihina ny raharaha Madagasikara.
Araka ny fanazavana tetsy amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka izay niandrandra fatratra io fihaonana io dia noho ny antony teknika no nanemorana ny fihaonana. Raha tsy raikitra ilay fivoriana dia fantatra kosa fa hisy delegasiona avy amin’ny Troika SADC ho avy eto amintsika amin’ity herinandro ity. Raha ny fanazavana ihany dia tafiditra amin’ilay tombana ataon’ny Troika momba ny fepetra ampodiana ny filoha teo aloha izany iraka ho avy eto izany. Manoloana io fihemoran’ny fivoriana io sy ny mety hahatongavan’ny iraky ny Troika SADC eto Madagasikara dia nanao antso avo i Guy Maxime Ralaiseheno. “Leo izahay Malagasy”, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita ity. Raha ny fihetsik’i Andry Rajoelina, hoy izy dia tsy mitodika mihitsy ary tsy manao dingana ho amin’ny fampihavanana sy ny hisiana fifidianana akory. Koa rehefa misalasala ny SADC, hoy izy dia izahay vahoaka Malagasy no handray andraikitra. “Aza lalaovina ny olom-pirenena Malagasy fa tanteraho ny sori-dalana. Ampodio Ravalomanana fa izahay no hiaro azy”, hoy izy.
Raha ny zavatra tsapa tokoa dia mampametra-panontaniana ny maro raha toa ka mbola ao anatin’ny fiala-nenina tokoa ve ity vondrona iraisam-pirenena nanakinan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitarihana ny famahana ny krizy eto amintsika sa mariky ny fitavozavozana sy ny firaisana tsikombakomba amin’ireo mpitondra ao amin’ny FAT fa dia mitarazoka tokoa ny raharaha. Ary ny tena mampametra-panontaniana dia toa karazan’ny avela hamita fe-potoam-piasana iray mihitsy ny mpanongam-panjakana ary dia miriaria toa tena tompom-pahefana tokoa ary mihevi-tena ho voafidim-bahoaka. Ny ankolafy Ravalomanana dia milaza fa matoky tanteraka ny Troika SADC amin’ny fitarihana ny asa ho amin’ny famerenana ny ara-dalana eto amintsika.
Mazava koa anefa ny azy ireo: fampiharana tanteraka ny sori-dalana. “Na inona na inona resaka atao dia tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto rehefa tsy avela hody sy mirotsaka i Marc Ravalomanana ary tsy hisy Andry Rajoelina hijanona eo amin’ny fitondrana ihany koa raha tsy hametra-pialana”, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime. Tomban’ezaka teknika, hijerena ny fepetra rehetra hiarovana ny ain’i Marc Ravalomanana no jeren’ny Troika SADC tao anatin’ny 30 ka hatramin’ny 60 andro, niala tamin’ny fivorian’izy ireo tany Maputo farany teo. Ny 18 oktobra izao no tapitra io 60 andro io, araka ny fanazavana ihany. Ho hita eo, araka izany, izay ho fihetsika sy ho fanapahan-kevitr’ity vondrona ara-toekarena ity.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.