Politique

Tetezamita Manao tohivakana ireo mampiaka-peo


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Fikambanana nihoatry ny 10 toy ny fikambanan’ny tanora avy any amin’ny Faritra, fikambanan’ny mpanjono, fikambanana ara-drazana tarihana olobe isan-karazany… no nivondrona nanao ny fanambarana tetsy amin'ny Resto-Karaoke Sandie 67Ha ny faran’ny herinandro lasa teo.

 Nambaran’izy ireo fa tsy ekeny ary toheriny hatrany ny fanalana sy fanoloana tomponandraikitra ambony anaty andrim-panjakana raha tsy nisy fahotana mahafaty voaporofo vitany ary tsy azo leferina ka hatao fanta-bahoaka. Hisantarana ny hetsik’ity vondrona tanora ity ny fitakiana ny marina momba ny fanesorana ny Sekretera jeneraly ao amin’ny ministeran’ny Jono ankehitriny izay ambaran'izy ireo fa nahavita ny andraikitra amin'ny maha teknisiana azy tao amin'io toerany io. Mifampitohy amin'izay koa ny fitsipahan-dry zareo ny mety ho fanatanterahana ny sahoan-dresaka efa aely mikasika ny fanesorana ny minisitry ny fanapariaham-pahefana, ny minisitry ny mponina ary ny minisitry ny harena ankibon'ny tany.

Nampiaka-peo mikasika ny harena ankibon’ny tany koa ry zareo ary nilaza fa tsy ekeny ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena indrindra amin'izao akaiky fifidiananna izao hakana vola hoenti-mihetsika. Tokony hiara-misalahy amin'ny tena fampandrosoana ny mpitondra na inona firehany noho ny fiaraha-mitantana nifanarahana ary tsy misy tokony hailika, hoy izy ireo. Lavina koa ny fivarotan-tseza fanaon'ny mpilalao politika hanomezana toerana anaty andrim-panjakana fa tokony ho jerena ihany ny fari-pahaizan'izay hapetraka hampandroso ny asa sahaniny sady hialana amin'ny fanaovana rapadango fotsiny, satria ireo tonga eo amin'ny toerana tsy tokony hisy azy no tena mpanao ireo asa ratsy fandrobana harem-pirenena ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT