Politique

Tetezamita Horavana ny Parlemanta


  • Alakamisy 02 Desambra 2010

Ao Tsimbazaza, misy resaka fanangonan-tsonia hanonganana ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro. Talohan’izay ny Kestora, noho ny fitarazohan’ny fahazoan’ny mpikamban’ny Kongresy vola tambinkarama.

Ao amin’ny Viva, onjampeon’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, tsikerain’ireo mpanao gazety manao famakafakana politika isa-maraina, omaly, ny resa-bola eo amin’ity Kongresin’ny tetezamita ity. Voakasik’izany ny karama takian’ny mpikambana, mihoapampana (?), sy ity rafitra ity toa handany vola. Ny lojikan’ireo resaka mandeha ireo dia mankany amin’ny fandravana na koa fanafoanana mihitsy io andrimpanjakana teraka tamin’ny fifanarahan’Ivato io ny raharaha. Ny Parlemanta (Kongresy sy ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita) amin’ny ankapobeny mihitsy no horavana. Ny fiandrandran’izao fitondrana izao ny fankatoavana iraisam-pirenena taorian’ny fahavitan’iny referandaoma iny rahateo koa dia mitondra tsimoramora amin’ny fandravana io Parlemanta io. Misy sori-dalana vaovao mandeha indray mantsy any, ary manomboka resahina eny anivon’ireo masoivoho vahiny, sy ny etamazaoro politika sasantsasany ihany koa.

Araka ny fantatra àry dia manery mafy ny “vazaha” mba hanamafy izay efa nambarany i Andry Rajoelina, fa tsy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Aorian’ny fanambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra iny, no tokony hanaovany izany. Tsy izy ihany, fa tsy misy (mahazo) mirotsaka hofidiana ireo filoha telo hafa tafiditra mivantana tamin’ity krizy ity, dia ny filoha Marc Ravalomanana, ny Pr Zafy Albert ary ny amiraly Didier Ratsiraka. Rehefa izay dia mijanona ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina ary hanana ny sata sy zo ary tombontsoa mitovy amin’ireo filoham-pirenena teo aloha, aorian’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny governemanta iraisana hajoro kosa no hikarakara ny fifidianana, ka fifidianana filoham-pirenena avy hatrany no hatao amin’izany.

Tsy misy ilana Parlemanta ao anatin’izay, ka izay no mampandeha be ity resaka mety handravana izay natsangana ity. Raha io sori-dalana io, dia aorian’ny fifidianana filoham-pirenena vao hotontosaina ny fifidianana depiote, fa tsy arak’izay nofaritan’ny ESCOPOL sy i Andry Rajoelina ny 13 aogositra 2010 teny Ivato. Raha ny tetibolam-panjakana 2011 moa no jerena dia fifidianana telo ihany no voatsinjo ao, dia ny fifidianana filohan’ny Repoblika in-droa mihodina sy ny fifidianana depiote. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT