Politique

Tetezamita Haingam-piasa kokoa ny tamin’ny 1991


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Ny “Convention du 31 Octobre” no namaha ny krizy naharitra valo volana tamin’ny 1991 taorian’ny tolom-bahoaka notarihan’ny Herivelona mba handrodanana ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka.

 Io no karazana tondrozotra na sori-dalana nampiasana mba hananganana ny tetezamita tamin’izany fotoana. Navory teny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo avokoa ireo mpanao politika rehetra teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Henjankenjana ny adihevitra, saingy hita ihany ny marimaritra iraisana. Neken’ny rehetra fa i Guy Willy Razanamasy no praiminisitra, nomena fahefana feno hitantana ny fitondrana tetezamita sy ny firenena. Tsy maintsy atao ny fifidianana mba hahafahan’ny vahoaka maneho amin’ny fomba demokratika mivantana ny safidiny. Teo no nahalany ho filoham-pirenena ny profesora Zafy Albert. Tena krizy no nisy tamin’ny 1991 satria efa nanomboka nilaharana ny vary sy ny menaka ary ny siramamy, eny hatramin’ny savony. Nidangana avokoa ny vidin’entana, efa nilaharana koa ny lasantsy.

Tsy dedaka nitady vary sy menaka mora anefa ny fitondrana tetezamita fa dia nifantoka tanteraka tamin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny fikarakarana fifidianana. Tsy mora ny asa satria samy nanana ny foto-keviny sy ny eritreriny ireo mpanao politika. Nisy ny ady seza ary na ny Herivelona aza moa dia nizara roa noho io tsy fitovian’ny fomba fijery ny dingana tokony ho narahana io. Niseho masoandro koa tamin’izany fotoana ny Federalista ary nanezaka mafy mihitsy tamin’ny fampielezana ny foto-keviny. Tsy nitarazoka efa-taona izany anefa ny tetezamita fa nahavita fifidianana vetivety ihany.

Ankehitriny efa manana ny tondrozotra isika, manana ny praiminisitry ny marimaritra iraisana amin’ny alalan’Atoa Beriziky Jean Omer saingy mikatso ny raharaha. Fa nahoana ary ? Ny tsapa avy hatrany aloha dia tena samy hafa mihitsy ny fahefana teo am-pelatanan-dRazanamasy sy ny fahefana eo am-pelatanan’i Beriziky. Ilay voalohany dia azo ambara hoe nanana fahefana betsaka kokoa ka tena afaka nandamina ny fitantanana ny tetezamita, ary na nisy aza ny tsindry bokotra avy etsy sy eroa dia toa hainy ihany ny nandamina sy nampandeha ny asa. Ilay faharoa kosa, dia toa fahefana an-taratasy aza, tsy tena ananany mazava, mivandravandra be mihitsy amin’ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra lehibe raisin’ny fitondrana tetezamita fa dia matetika voadingana ingahy Omer Beriziky, ary misy mihitsy ireo minisitra tsy voafehiny.

Nantenain’ny maro fa ho elanelam-panahy eo amin’ireo mpifanandrina politika i Omer Beriziky kanefa dia tena nandiso fanantenana ny fomba fiasany, fa nanara-drenirano fotsiny ihany. Sady tsy te hiady amin’ny ankolafy Rajoelina izy no tsy te hanana romoromo amin’ny ankolafy Ravalomanana, mifanerasera tsara amin’ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka. Manao politikan’ny misabaka ny praiministra Omer Beriziky raha ny fahitana azy, ka mety izay no tsy tena hahavitany asa mivaingana, na dia izy irery aza, ao anatin’ny fitondrana tetezamita no manampahefana eken’ny rehetra eto an-toerana sy any ivelany, amin’izao fotoana. Tsy mitovy ny vanim-potoana tamin’ny 1991 sy ny amin’izao 2012 izao, saingy mbola maro amin’ireo mpanao politika navory teny amin’ny Panorama ka nandrafitra ny fifanarahan’ny 31 oktobra 1991 no ao anaty tetezamita ankehitriny. Ka nahoana no tsy mety mahita vahaolana izy ireny ? Sa lasa viriosy politika ?

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT