Politique

Tena zava-doza Lasa fialokalofan-jiolahy ny andrim-panjakana?


  • Zoma 10 Jona 2022

Maro ny Fanjakana nifanesy teto Madagasikara tao anatin’ny 60 taona, fa tao anatin’ity Fitondrana Rajoelina ity no nahavakisana raharaha sy afera maloto na «scandales » betsaka indrindra. Maro ireo olona ambony voatonontonana amin’ny kolikoly sy afera avo lenta.

Hatramin’ny olon’ny Fitondrana aza miaiky fa na tamin’ny andron’ny Fitondrana HVM aza tsy tahaka izao ny kolikoly. Ny olom-boafidy misy manararao-pahefana, tahaka ny depiote sasany. Matevina, ohatra, ny dosie mikasika solombavambahoaka voarohirohy amin’ny raharaha trafikam-bolamena, mpitsikombakomba amin’ny karana. Ialokalofana ny zo tsy azo henjehina na “immunité parlementaire” ampiasaina amin’ny fanondranana harem-pirenena, tena ao anaty tambajotra goavana,... Alefa avy eo ny sarintsarim-panadihadiana momba ny trafika, saingy ireny efa avoakan’ny fampahalalam-baovao sasany ireny ny ampahany milaza fa ny mpangalatra indray no hanadihady. Tany anaty Fiadidian’ny Repoblika nahenoana olona voasaringotra tamin’ny raharaha ahiana ho misy kolikoly goavana, saingy nezahina nosarontsaronana. Tsy manameloka avy hatrany an’izy ireny izay anjara asan’ny fitsarana, fa ny mahagaga sy mahatalanjona dia toa nampiasaina ny fahefam-panjakana nampanginana ny raharaha. Tao anaty governemanta nisy olona maro voatonontonona tamin’ny fanodinkodinana mivantana na ankolaka na koa fitsetsefana ny volam-panjakana amin’ny alalan’ny kiantranoantrano: raharaha écran plat 216 tapitrisa Ar, bonbons sucettes 8 miliara Ar,… fa vitavita ho azy. Ny mamaky bantsilana ny heverina fa afera maloto sy ahiahy tamin’ny fandrobana ny volam-panjakana tamin’ny fomba mihaja indray no henjehina any amin’ny Fitsarana raha hiverenana ilay ampamoaka amina miliara maro tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, tahaka ny hoe 40 miliara nalaina ary tsy naverina manontolo, 900 tapitrisa Ar nanaovana Centre de transpalantation rénale izay voalaza fa dosie hosoka no nahazoana ny tsenan’asa,... Ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty mikasika ny nampiasana ny vola 440 tapitrisa dolara niatrehana ny coronavirus, dia ireny niaraha-nahita ireny ny nanehoany azy fa betsaka ny tsy fangaraharana sy tsy fanarahan-dalàna. Nisy minisitra voatonona tamin’ny afera maloto nesorina fa nangina avy eo ny raharaha. Mbola misy minisitra ao anatin’io governemanta io voatonontonona amina afera maloto tahaka toy ny hoe: nitsikombakomba nandray vola hatrany amin’ny 400 tapitrisa Ar mba tsy handetehana mpanao trafika harem-pirenena,… Betsaka ny raharaha kolikoly goavana ahenoana anaran’olona ambony am-perin’asa n ateo aloha saingy ny hitoviany dia mangina sy mipirina. Sanatria natao ho fialokalofan-jiolahy ve ny Fanjakana sy ny Andrim-panjakana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT