Politique

Telo taona nitantanan-dRajoelina Nitombo 7% ny tahan’ny Malagasy mahantra


  • Talata 07 Jona 2022

Tsy mitsahatra mitombo ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, ary tafiakatra ambony indrindra tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona izany tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao.

Ny mari-pandrefesana teo aloha napetraky ny Banky Iraisam-pirenena, dia voasokajy ho mahantra farahidiny ny olona tsy manana 1,90 dolara isan’andro, saingy hiakatra ho 2,15 dolara na 8600 Ar isan’andro eo io. Ny taona 2017, teo amin’ny 73,7% ny tahan’ny fahantrana teto Madagasikara. Niakatra ho 74,3% ny 2019 nitondran’izao Fanjakana ankehitriny izao. Tonga 77,4% izany ny 2020, ary aty amin’ny taona 2022 dia efa tafahoatra ny valopolo isan-jato satria 81,1% ankehitriny. Nitombo 7% teo izany ny tahan’ny olona mahantra farahidiny hatramin’ny nitondran’i Andry Rajoelina ny firenena. Raha handray antontan’isa hafa, ny fanasokajiana navoakan’ny Vondrona Afrikanina sy ny Firenena Mikambana tamin’ny alalan’ny FAO (Fonds des Nations Unies pour l’alimentation et l’agriculture) momba ny fanjarian-tsakafo aty Afrika ny taona 2021 “Apercu regional de l’Etat de la sécurité alimentaire et de la nutrition”, dia nametraka antsika ho fahatelo ambony indrindra amin’ny tahan’ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Voalohany i Somalie 59,5%, faharoa I Repoblikan’I Centrafrique 48,2%, ary fahatelo i Madagasikara 43,2%. Fahatelo aty Afrika, faha-4 eran-tany amin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo isika tamin’io, ary raha ny fanasokajian’ny Banky Iraisam-pirenena vao herinandro vitsy, dia efa ao anatin’ny IPC (Integrated Phase Classification) sokajy faha-5 isika amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany hoe voasokajy ho tsy manan-kohanina milahatra amin’i Yemen.

MBOLA HAINGO AMBONY TSIKOKO NO MAIKA
Ekena fa nisy ny valanaretina coronavirus izay ialokalofana foana amin’ny tsy fahombiazana, fa isan’ny lesoka goavana ny tsy fahaiza-mitantana sy mijery ny laharam-pahamehana. Zavatra telo ihany raha ny fandalinan’ny manam-pahaizana no tena mampitotongana sy mampahantra ny firenena iray: loza voajanahary goavana toy ny Tsunami, ady an-trano, tsy fahaiza-mitantana. Mbola ny kirendrarendra sy ny kisehoseho ivelany anefa no maika sy laharam-pahamehana eto : Tanamasoandro, Miami, teleferika, kianja manara-penitra,… Ny Banky Iraisam-pirenena no manome lesona antsika hoe : tokony hamboly sy hamokatra fa raha ny mpitondra dia mbola somokotra amin’ny haingo ambony tsikoko.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT