Nanamafy ny faran’ny herinandro teo Atoa Ranjivason Jean Théodore fa dia manao propagandy mialoha ny fotoana ny mpitondra tetezamita, tahaka ny efa nataon’ny mpitondra teo aloha ihany.
Tsy izao mitranga eto amin’ny firenena izao mihitsy, hoy ity mpanao politika anisan’ny nafana fo tamin’ny fanohanana an-dRajoelina tamin’ny 2009 ity, ny fanovana nandrandrain’ny vahoaka. Mazava be ny resaka eto fa ilay fitsidiham-paritra volana vitsivitsy lasa izay nataon’ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filohan’ny tetezamita ka nampanantenana zavatra tetsy sy teroa, miampy ny fitokanana zava-bita hatao isan-kerinandro manomboka amin’ny volana desambra no ambara fa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana eto, ka i Andry Rajoelina mihitsy no mitarika izany.
Tato anatin’ny roa taona izao dia hita ho misintaka tsikelikely amin’ny filohan’ny tetezamita ireo mpanao politika nanohana sy nanampy azy tamin’ny fandrodanana an’i Marc Ravalomanana. Nisantatra izany ny praiminisitra teo aloha Monja Roindefo, izay nahatsiaro ho natao fitaovana avy eo nailika hampiharana ny Maputo, ary tena lasa mpanohitra mihitsy ary sahy nilaza fa misy mpitondra tafiditra amina raharaha andramena eto. Nanaraka ry jeneraly Noel Rakotonandrasana sy ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina raha niara-nikomy tamina vondrona manamboninahitra teny amin’ny BANI Ivato ny 17 novambra 2010. Dia nisesy amin’izay ny manaraka, toa ny CST Randriazanakolona Yvon na Sareraka izay efa nanakiana an-kira mihitsy ny tsy fetezan-javatra eto. T
eo koa ireo mpanao gazety mianadahy tao amin’ny Free FM izay azo ambara fa nifampihinana ny manta sy ny masaka niaraka tamin’i Andry Rajoelina ary mahalala tsiambaratelo maro tamin’ireny raharaha 2009 ireny, no sady efa namoaka ny sasantsasany tamin’izany. Nivadika tanteraka ihany koa Atoa Alain Ramaroson ary sarotra ny hiheverana fa mbola hihavana amin’i Andry Rajoelina izy, noho ny antony maro samihafa raha tsy hitanisa afa-tsy ny antony tsy mazava nahafatesan’i Nadine Ramaroson sy ny ady tany fotsiny isika. Faramparany teo koa izao dia hita fa efa nanomboka nisitaka tamin’ny filohan’ny tetezamita sy ny ankolafiny koa i Roland Ratsiraka, ary dia hita fa efa miala any koa ny antsojay ataon’ny tetezamita aminy.
Ny filohan’ny CST Ny jeneraly Rasolosoa Dolin moa dia io tsy an-tany, tsy am-parafara io ary hita fa efa tena miha ratsy ny fifandraisany amin’ny ankolafy Rajoelina ka kely monja no tsy nampirodana azy tsy ho filohan’ny CST. Ka iza moa sisa izany fa dia ingahy Norbert Ratsirahonana sy ireo mpanao politika tia seza sady mamba noana araka ny fomba fiteny sisa, ary ny TGV izay tsy mbola ampy traikefa mihitsy amin’ny fitantanana firenena no manohana an’i Andry Rajoelina. Tsy mbola resahana eto amin’izany ny fahasosoran’ireo olon-tsotra, voalaza fa tena nitolona tamin’ny 2009, ka diso fanantenana tanteraka, satria toa vao miha didy jadona sy fampahoriana vahoaka no nitranga, fa tsy fanovana ho amin’ny tsara kokoa izany. Koa raha izao no mitohy dia hihanjahanja irery eo izany, atsy ho atsy i Andry Rajoelina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.