Politique

Tatitry ny Loholona Tsy ara-dalàna ny nidiran’ireo fitaovam-piadiana…


  • Talata 19 Janoary 2021

Namoaka ny tatitra momba ny fanadihadiany ireo raharaha nafana teto amin’ny

 

 

firenena ireo loholona ankehitriny, izay handao ny toerany tsy ho ela. Ny 19 janoary 2020 dia fitaovam-piadiana sy fiara mifono vy no nentina nanome voninahitra ny lanonam-pianianana teny Mahamasina. Tamin’izany no nanaovan’ny Filoha fanambarana miezinezina fa novatsiany fitaovana manara-penitra ny foloalindahy. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, fa nisy tokoa ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika, efa tafiditra teto talohan’ny fihanianan’ny Filoha, hoy ireo loholona. Tsy afaka nanaporofo ny fisiana taratasy ara-dalàna momba ny fampidirana sy fividianana azy. Nilaza ho gaga sy talanjona ireo manamboninahitra rehetra, hoy ny tatitra. Tamin’ny fomba ahoana ny nahafahany namatsy fitaovam-piadiana? Midika ve izany fa mbola tao anaty fampielezan-kevitra ny valiny? Raha tsy iny ny vokatra dia natolotra an’iza ireo fitaovam-piadiana? Hoy ireo loholona. Takiana ny fanokafan’ny fitsarana satria manokatra varavarana amin’ny zavatra mamoafady, hoy ny tatitra. “Nanamarina ny minisitry ny fiarovana, fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna no nampidirana an’ireo. Ady an-trano no aterak’izany, ary ny Al-Qaida no mpanao izany. Tsy basy ihany, fa nisy angidim-by, fiara mifono vy,…” hoy ny Loholona Olivier Rakotovazaha. Raha raisina amin’io fanambarana io, dia mandiso ny nambaran’ny Jeneraly Kasimo Talen’ny fampitaovana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny 19 janoary izany ny loholona. Nilaza mantsy io manamboninahitra io, fa novidiana 15 miliara ariary tany Chine ny fitaovam-piadiana, ary voarakitra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018.

 

Mifandraika amin’io resaka fampidirana fitaovam-piadiana io ny fangalaram-bato tamin’ny fomba manara-penitra, hoy ireo loholona ireo. Nahatratra 1 116 512 ny karapanondro niverin-droa. Raha ny vokatry ny fitsirihana nataon’ny CENI dia manome 3% ny anarana miverin-droa. 1 200 000 ny anarana miverina ao anatin’ny mpifidy 10 000 000, mandiso tanteraka ny vokatra, hoy izy ireo. Tsy misy fitsirihana sy porofo fa tsy manova ny voka-pifidianana io, hoy hatrany ireto lohona ireto. Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT