Fitohizan’asan’ny teo aloha na ilay antsoina hoe « continuité de l’Etat », raha ny fahitan’ny sekretera jeneralin’ny antoko politika ABA na antokom-bahoaka Malagasy,
Dany Rakotoson, no tena navoitran’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritra ilay tatitra nataony tetsy Mahamasina momba ny 100 andro nitondrany ny alahady 28 aprily teo. Ankoatr’izay, hoy izy, dia ny endrika praopangady no nanampy fa tsy tazana ny IEM nefa tokony ho efa anaty fotoanan’ny asa isika izao. Mila fihatsarana ny fiainam-bahoaka ary mila manantena izy saingy araka ny efa nolazaiko foana, hoy hatrany ity kandida ho depiote ao Avaradrano ity, dia mamono olona ny fahataran’ny fampandrosoana. Mila fiaingana ara-toekarena haingana isika ary izany dia midika fa tokony ho laharam-pahamehana ny famoronana asa. Ny zava-misy anefa, hoy hatrany izy, dia mbola ao anatin’ny tsy fananan’asa sy tsy fandriampahalemana ny vahoaka ka lasa manimba saina izany. Mila hajanojanona ny resaka tetikasa lava fa tokony hiasa amin’izay satria manjary lasa seho ivelany sy valifaty na hoe “reglement de compte” no be dia be, hoy ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.