Politique

Tatitra ny fandaniana tamin’ny fifidianana 0% tamin’ny kandida ho loholona no nanao


  • Talata 28 Desambra 2021

Tamin’ireo kandida ho filoham-pirenena 2018 miisa 36 dia 23 ihany no nahatonga ny tatitry ny fandaniany teo anivon’ny vaomiera misahana ny fanaraha-maso ny fiainana politika na CCFVP,

raha ny tatitra nataon’ireto farany omaly, izany hoe 63,89%. 31 tamin’ireo 814 no nahatonga ny kaontiny ho an’ireo kandida solombavambahoaka. Tsy nisy nahatonga izany, izany hoe 0%, tamin’ireo lisitrana kandida ho loholon’I Madagasikara miisa 14. Lisitra 1 monja tamin’ireo lisitrana kandida ho ben’ny tanana miisa 6303, izany hoe 0,02%,no nahatonga izany. Ho an’ny kandida ho mpanolontsaina dia 0,04%, izany hoe lisitra miisa 2 tamin’ny 4943. Aogositra 2018 izahay no nanomboka nivory, hoy ny CCFVP, ary ny tsikaritra dia tsy misy ny sazin’ireo tsy nametraka tatitra. Miisa 3896, izany hoe 61,81%, ireo kandida ho ben’ny tanana manana mpitam-bola kanefa dia 1 no nanao tatitra. Tsy tao anatin’ny lisitra kosa anefa ireo fanampiana mivantana avy amin’ireo mpiandany ny kandida toy ny fiara nampindramin’izy ireny, ohatra. Isan’ny nanembatsembana ny asa koa, hoy ny CCFVP, ny valanaretina COVID 19. Isan’ny tolokevitra voaray tao anatin’ny 3 taona ny hoe ilaina ny fanajana lalana velona, izany hoe, ny fanendrena mpitam-bola, ny fanokafana kaonty any amin’ny banky, ny fananana boky mirakitra ny vola miditra sy mivoaka, ny fianianan’ireo kandida fa hanaja izany rehetra izany sy hiady amin’ny kolikoly. Ho an’ny tomponandraiki-panjakana kosa dia tokony faritana ny azo atao sy tsy azo atao anaty fampihelezankevitra. Maro ireo kandida nitaraina fa voasakatsakana. Mila amoraina ny fanokafana kaontim-pifidianana satria teren’ny lalana hanao izany ny kandida. Isan’ny tokony azo ampiharana izany ny banky BNI izay ananan’ny fanjakana 31%, hoy hatrany ny sosokevitra. Toy ny tsy misy, hoy ny CCFVP, ny rijan-teny rehefa tsy misy ny sazy. Olana eto ny demokrasia sy ny tsy fahatomombanana na “irrégularité”. 0 hatramin’ny 4%n’ireo nilatsaka depiote sy loholona no nitatitra nefa miankina aminy ny fiovan’ny lalana eto. Manatona ny taom-pifidianana 2023. Izao no fotoana hanavaozana ny zava-drehetra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT