Politique

Tatitra momba ny sosialim-bahoaka Tsy nisy ambara afatsy vatsy sy fanampiana ny governemanta


  • Alarobia 09 Jona 2021

Nanomboka omaly ny fihaonana teo amin’ny Governamanta sy ny antenimieram-pirenena anaovan’ny fahefana mpanatanteraka ny tatitra amin’ny

 fahefana mpanao lalàna. Natao tamin’ny alalan’ny “visioconférénce” na maro tamin’ny depiote aza no nangataka mba hanaovana ny fihaonana mivantana. Ny Praiministra Ntsay Christian no nanomboka ny fanolorana ny tatitra. Nandritra izany no nanazavan’ny Praiministra ny andinindininy mikasika izany fanatanterahana izany. Teo ny momba ny asan’ny Governemanta niadiavana tamin’ny valanaretina Covid-19 izay nanomezan-danja manokana ny ara-pahasalamana sy ny ara-tsosialy, hoy izy. Teo ihany koa ny fitanisana ireo zava-bita sy ny ezaka amin’ny lafiny fitantanana, ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ny toe-karena sy ny fotodrafitr’asam-pamokarana ary ny sosialy. Miezaka mitanisa ireo zava-bita ny Fanjakana fa moa miabo be ny fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka indrindra ny sosialy sy ny toekarena? Ho an’ny sosialy manokana, dia isan’ny noresahina, fa napetraka ny vatsy tsinjo izay fizarana sakafo entina hanohanana ireo ankohonana niharan’ny fahasahiranana nateraky ny fepetra ara-pahasalamana ka fianakaviana 430 898, miisa 430 360 no nambara fa nahazo tosika Fameno, 366 170 amina distrika 9 nahazo ny fanampiana “Ankohonana miatrika” hizarana 50 000Ar isam-bolana mandritra ny enim-bolana, 160 000 nahazo ny fitsinjarana vola misy fepetra eny amin’ny tanàn-dehibe,… Raha hatambatra ireo, manodidina ny 1,5 tapitrisa izany ireo nambara fa nisitraka fanampiana raha toa ka manodidina ny 25 tapitrisa ny Malagasy ary ny 85% n’ireo no sahirana. Tena fizaran-javatra tsy mahavita taona ve no vahaolana sa famoronan’asa fa tsy fizarana ny olona ho zatra tolorana ary tsy ny rehetra no mahazo, mila tohanana ny fampiakarana ambony ny famokarana, ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka,… izay tokony imatimantesan’ny Fanjakana manontolo.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT