Politique

Tatandraza manondrana etsy sy eroa Endriky ny tany tsy misy Fanjakana


  • Talata 02 Aogositra 2022

Feno ny fepetra hisamborana an'ingahy Marc Tatandraza noho ireo heloka maro sosona nataony tao anatin'ilay horonan-tsary naparitany 2 andro lasa izay. Karohina araka izany izy ka raha manam-baovao mahakasika azy isika

dia mandefasa hafatra miafina na someso na mampandre ny mpitandro filaminana izay akaiky anao indrindra. Hivoaka etoana ihany ny Filazana fikarohana azy amin'ny fomba ofisialy. Atao tsiambaratelo sy arovana ny mahakasika ny loharanom-baovao”, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Info Com Seg ny 16 jona 2022. Fandrahonana olona tamin’ny alalan’ny horonan-tsary no heverina fa antony hanenjehana azy tamin’izany. Ireo olona mitory any an-dRajoelina any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no rahonany hovonoina amin’ny alalan’ny fanapahan-doha amin’ny antsy maranitra…. Ampahitako ahy ianao, raha tsy fantatrao izaho, izaho no Remenabila. Tsy misy olona atahorako raha mbola eto ambonin’ny tany, tsy misy mampavozo hay raha mbola Malagasy…. Jereo tsara ity, ho tapaka roa amin’ity ny lohanareo…”. Tsy nisy tohiny intsoy ny raharaha fanenjehana azy avy eo, ary matetika mamoaka horonan-tsary amin’ny tambajotran-tserasera ny tenany. Foana ve ny fikarohana sy ny vesatra hanenjehana an’i Marc Tatandraza? Afaka manao izay saim-patany mandrahona olona mivantana na ankolaka ve saingy tsy misy fepetra raisina? Andro vitsy lasa izay, mipoitra indray, mampiseho sary miendrika fampihorohoroana, mitondra olona manao t-shirt Andry Rajoelina milanja antsibe maranitra na “mesobe” sy mandrahona. Manao fanambarana politika toy ny hoe: “manao antso avo ho an’ny Fitondram-panjakana i Depiote Marc Tatandraza. Fangatahako tamin'i Atoa filoha sy ny Minisitry ny atitany ny mba hanafoanana ny “arrété” izay ahafahan'io RMDM io mojoro sy ny hanamborana an'i Marc Ravalomanana izay ati-doha mikotroka izao savorivorim-bahoaka izao”. Matoa nangina ny resaka fikarohana fa tsy nisy tohiny, dia mazava ho azy fa natsahatra. Matoa afaka manao izay tiany hatao i Marc Tatandraza dia misy olona ambony mamporisika sy miaro azy. Izao tokoa ve ilay Fanjakana tan-dalàna ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT