Mbola “Tanindrazana, Fahafahana - Fandrosoana” no tarigetran’ny Repoblika misoratra amin’ny ankamaroan’ireo tranokalan’ny ministera anatin’izao Fahefana avon’ny tetezamita izao iray volana mahery aty aorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ofisialy (?) ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010 lasa iny.
Mety ho bitika ny fanamarihana nefa amin’izao andron’ny teknolojia sy ny fanatontoloana izao, tsy misy zavatra azo atao tsirambina izany na tetezamita aza. Itarafan’ny any ivelany sy azao itsarana ny zava-misy eto ny toe-javatra toy izany. Samy mandeha samy mitady, tsy misy rindran-damina mazava, tsy mifampifehy, gaboraraka sy izay voambolana iray tarika amin’izany dia izy avokoa. Eny fa na dia ireo ministera voasokajy ho ministeran’ny fiandrianam-pirenena aza no tsy manaraka “fiovana”. Sa tsy resy lahatra mihitsy ka aleony ny azy mijanona amin’ny taloha ihany mandram-pisy ny tenierana eto amin’ny tany sy ny firenena ? Tsy ferana koa aloha izay ! Ny mahagaga anefa dia mitatitra ny voka-pifidianana tamin’iny referandaoma, milaza fa nandresy tamin’ny salan’isa 52,61% amin’ny vato manankery ny ENY iny, avokoa ireo tranokala ireo.
Ny nitatitra ihany anefa no nataony fa tsy nampihatra izay vokatra tao. Tsy niova e ! Voakasik’izany ny ministeran’ny ati-tany (http://www.mira.gov.mg), ny ministeran’ny Fitsarana (http://www.justice.gov.mg). Tsy resahina intsony ny ministeran’ny raharaham-bahiny (http://www.madagascar-diplomatie.net). Ny manaitra aza dia hatramin’ny tranokalan’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena (http://www.defense.gov.mg) sy ny an’ny ministeran’ny filaminana anatiny (http://www.policenationale.gov.mg), no tsy nanova ny tarigetran’ny Repoblika amin’ny tranokalany ho “Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana” sa efa mikomy tsy mandray baiko koa ? Manginy fotsiny ny an’ny ministeran’ny fifandraisan-davitra, ny paositra ary ny teknolojia voavao (http://www.mtpc.gov.mg), ny an’ny ministeran’ny fitaterana (http://www.transport.gov.mg), ny ministeran’ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany (http://www.mem.gov.mg), ny ministeran’ny toekarena sy ny indostria (http://www.mei.gov.mg), ny ministeran’ny mponina (http://www.population.gov.mg), ny ministeran’ny tanora sy ny alavoly (http://www.mjl.gov.mg), ary ny an’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (http://www.education.gov.mg) fa dia ny eo ihany no eo. Dia hatao mahagaga ve raha izao no zava-misy eto amin’ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.