Tsy misy ny kisendrasendra, hoy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, fony izy kandida ka naharay tamin’ny alalan’ny antsapaka fa laharana faha 13 no misy azy tao anaty bileta tokana.
Ny tenin’ny soratra masina nofidiantsika ihany koa, hoy izy, tamin’ireo vahoaka nanotrona azy tamin’izany dia ny Korintianina 13:13. Saika hita matetika amin’ny zavatra ataon’ity fitondrana ity io isa sy tarehimarika io ary na hatrany anaty fampitam-baovao ofisialy aza dia toy ny terena ho voatonona mihitsy ilay izy, tahaka ny hoe ho ana distrika 13 sy ireo distrikan’ananona sy ananona, ohatra. Fa maninona no tsy tsorina avy hatrany hoe distrika 18 na 20? Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ry zareo frantsay moa, ohatra, dia tena fady ity laharana ity satria hoe tsy manambina sy mitera-doza. Tarehimarika hita ho mahagaga ampiasain’ny fitondrana ankehitriny indray izao ny isa na tarehimarika 11. Ny 11 desambra 2010 no daty fetin’ny repoblika faha 4, izay notokanan’ny filohan’izao fitondrana izao fony izy filohan’ny tetezamita. Ny 11 desambra 2020 izao kosa no tolo-kevitry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI, hanatanterahana ny fifidianana loholona. Hita ho tsy tongatonga ho azy avokoa izany rehetra izany ary mampametra-panontaniana hoe fa maninona no 11 taona aty aoriana. Tsetsatsetsa tsy aritra koa no ilazana fa ny tranga naha rava ny World trade center tao New York Etazonia, izay tranobe miendrika tarehimarika 11 dia ny 11 septambra 2001. Any amin’ny tontolon’ny fanandroana sy ny resaka tononandro na mazia moa matetika no ahitana itony karazana lalantsaina na teoria momba ny tarehimarika itony na ilay antsoina hoe “numérologie”, toy ny hoe “numérologie de la chance”, ohatra, izany hoe tarehimarika momba ny vintana. Lasa ihany ny saina aman’eritreritra hoe zavatra tahaka izany ve izany no itokiana sy hianteherana ary fototry ny fanapahan-kevitra rehetra raisina eto amin’ny tany sy ny firenena? Ao anatin’ny fahamehana andiany faha 13 moa isika izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.