Raha tsiahivina, in-tsivy nohavaozina isaky ny tapa-bolana teo nanomboka ny 20 martsa 2020, izay nisy fotoana somary niato.
Saika nanao tari-bato vilam-bava hatrany ny fitondrana tamin’io satria ny mpitondra no lohalaharana tamin’ny fandikana ny fepetra ara-pahasalamana. Toa fotoana ihany koa io nanjakan’ny afera maro tamin’ny fitantanana ny vola sy fananam-panjakana. Nandeha ny “’’nty sy ‘nday” tamin’ny resaka tsenam-panjakana izay tsy voatery nilana antso tolo-bidy noho ny hamehana, ka maro ny ahiahina kolikoly avo lenta raha tsy hilaza afatsy ny “bonbon sucette”, “écran plat”,… Ny fanafoanana ny hamehana dia midika fa fiverenana amin’ny laoniny amin’ny lafiny rehetra: fiainana ara-politika, ara-pitantanana ny raharaham-panjakana, toekarena, sosialy,… Isan’ny fitaovana nataon’ny Fanjakana fiarovan-tena sy nifehezana ny lafiny rehetra io, ka naman’ny foana izany rehetra izany, raha bangoina amin’ny ankampobeny. Tsy midika kosa anefa hoe: malalaka afaka tsy miaro tena amin’ny valanaretina ny rehetra. Manomboka mihamafy ny fanehoan-kevitra ara-politika. Milaza hanao hetsika ny mpanohitra, mampiomana amin’ny hanaovana fidinana an-dalambe,… Midika izany rehetra izany, fa vao mainka miditra amina vanim-potoana mafampana indray ihany koa isika amin’ny toe-draharaha ara-politika. Efa karazan’ny miditra amina kihon-dàlan’ny fifidianana rahateo isika, indrindra fa vao migadona eo ny taona 2022, ka samy efa manomana ny paikadiny, efa manomboka maka fiaingana na ny mpitondra na ny mpanohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.