Politique

Taorian’ny raharaha BANI Dom-bera tao Ambohitsorohitra


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Taorian’ny fiantsoana mpanao gazety nataon’ny ministry ny Foloalindahy sy ireo namany teny Ampahibe ny talata 23 novambra teo dia nihazo avy hatrany ny lapan’Ambohitsorohitra izy ireo.

Faly dia faly tamin’ny hetsika nataon’ireto miaramila ireto mantsy i Andry Rajoelina ka entiny nanamarihana izany fifaliana izany ny fiantsoana ireo mairamila mitana komandy rehetra teto an-drenivohitra, voailika ary toa natao tahaka ny tsy misy kosa ny tany amin’ny faritany. Nanao fety sy niara-nisakafo ireo miaramila ireo ary tonga nanotrona izany ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny zandary sy ny Tafika eto an-drenivohita. Anisan’ny nanamarika ity fanasana ity ny tsy nahitana ny avy amin’ny polisy. Asa na mbola tandindon’ny tsy fifankahazoana eo amin’ny ministry ny polisy sy i Andry Rajoelina no anton’izany. Nivoaka mantsy ny resaka ny amin’ny hoe vitsy ny polisy no sady tsy isan’ny miaramila fa sivily. Toa marina tokoa izany saingy araka ny fantatra dia anisan’ireo mafana fo mandefa olona miambina manokana an’i Andry Rajoelina sy ny fianakaviany ny avy eny anivon’ny polisy. Nangaingaina ihany izy ireo nandritra ity fiarahana misakafo ity.

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT