Politique

Taorian’ny ampamoakan’ny Kly Charles Nitory ny filoha Ravalomanana


  • Alakamisy 20 Janoary 2011

Nihazakazaka ny fivoaran’ny raharaha eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny ampamoaka mikasika ny raharaha 2009 nataon’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles, ny alarobia 05 janoary 2011, ka nilazany fa in-droa nanao fanonganam-panjakana izy sy i Andry Rajoelina ary nisy vola be tsy hita noanoa niparitaka tao anatin’izany.

Tsy nijanona tamin’io ny ampamoaka nataony fa niely tamin’ny Internet ary fantatra koa izao fa efa tonga eny am-pelatanan’ireo mpanelanelana vahiny, eny fa hatrany amin’ny Firenena Mikambana koa aza. Ny vaovao farany izany izao dia ny fitoriana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana. Omaly no voarain’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana io fitoriana io, mahakasika iny raharaha 2009 iny. Ny heloka bevava nataon’ny mpanongam-panjakana izay nitarika tamin’ny fanesorana an-terisetra ny filoha Ravalomanana teo amin’ny fitondrana, ka tsy namelana azy hamarana ankalalahana ny fotoam-piasany hatramin’ny 2012, amin’ny maha filoham-pirenena voafidim-bahoaka azy no fototry ny fitoriana.

Notsiahivin’ny filoha Ravalomanana tao anatin’ny fitoriany, fa tsy azo ekena na koa leferina izany fanonganam-panjakana izany amin’izao taonjato faha-21 izao ary ny lalàna iraisam-pirenena sy ny fifanarahana afrikanina dia manameloka izany. I Madagasikara, hoy Atoa Marc Ravalomanana, dia tsy afaka hitsikombakomba amin’izany. Matoky ny fitsarana Malagasy ny tenany, fa tonga ity ny fotoana hijoroany sy hanehoany ny fahaleovantenany marina amin’ny andraikitra izay horaisiny hampibaribary ny marina sy ny rariny amin’ny vahoaka Malagasy sy eo anatrehan’izao tontolo izao.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT