Hafampana ny toe-draharaha politika amin’ity taona 2021 ity. Efa nilaza ny
mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana ny sabotsy lasa teo, fa tsy hihemotra amin’ny famakiana bantsilana ny tsy mety, ny tsy fahaiza-mitantana, ny Fanjakana tsy tan-dalàna. Ny solombavambahoaka avy amin’ny TIM ihany koa efa naneho tany amin’ny tapatapaky ny volana desambra 2020 fa ho avy hanao tatitra sy hihaona mivantana amin’ny vahoaka amin’izay. Notsiahivin’izy ireo ny tenin’ny manampahefana samihafa, fony nandeha ny hetsika tany Mahajanga, Antsirabe,… fa any amin’ny toerana nahalany no tokony hanao tatitra. Aza adino fa manana depiote eto Antananarivo ny TIM, hoy izy ireo. Tombanana hampiasa ny samboady sy ny zo maha olom-boafidy azy, toy ny nisy tamin’ny tolon’ny depiote 73 ny avy amin’ny fanoherana. Azo antoka fa hihombo ny fifanenjanana satria tsy hanaiky lembenana an’izany ny eo amin’ny Fitondrana, fa hanao izay fomba rehetra mety ahafaha-manakana ny endrika famoriam-bahoaka na ankalamanjana io na amina toerana mihidy. Ireny efa niaraha-nahita ireny ny fanaraha-maso an’i Marc Ravalomanana hatrany am-piangonana. Efa taona fiomanana amin’ny fifidianana ny 2021, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny stratejian’ny mpanohitra sy ny hamehezana azy ireo dieny izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.