Politique

Tao anatin’ny 60 taona Ity no fitondrana nahay nampiesona indrindra


  • Zoma 18 Martsa 2022

Ity no Fanjakana tia mampiesona sy mpivarotra nofinofy indrindra tao anatin’ny 60 taona. Hafa no tenenina androany, ary hafa no lazaina rahampitso. Isan’ireny ny politika hitantanana ny firenena izay nambara tany am-piandohana fa tsy mila fanampiana sy fitrosana vola amin’ny mpamatsy vola mahazatra,

fa mampahantra firenena. Rehefa tonga eo, dia isika indray no hampindrana an’i Kaomoro, hoy i Andry Rajoelina. Nisy tokoa ny resy lahatra avy eo, fa tena lasitra sy paikadim-pampandrosoana vaovao izany. Inona anefa no nitranga, ity Fanjakana nivelona tamin’ny hataka sy ny trosa indrindra, ka izay rehetra aleha dia tsy adino ny mangata-bola. Kepoka tanteraka sy nafatotry ny vavany i Andry Rajoelina fa hay na ny velirano nahasahiany nanao vava fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny RN13 aza ka mbola ny Vondrona Eoropeanina no tompon’ny teny farany, ary tsy mbola misy vola mivoaka amin’izao. Lazaina fa tsy mitrosa ka inona ny filaza ny teleferika nanaovana sonia ara-bola 151 tapitrisa euros tamin’ny Frantsay haverina ao anatin’ny 14 taona? “5 taona no hanatanterahana ny velirano, tsy maintsy tanterahana ny 100% n’ny velirano”, hoy i Andry Rajoelina tetsy Mahamasina rehefa nahavita ny 100 andro nitantanany. Asa firy isan-jato izao ny omby voapetaka “puce”? Aiza ho aiza ny orinasa mpamokatra fiara Gasycar? Efa nahita 3 miliara dolara hanaovana “autoroute”? Efa feno ny 5 miliara dolara hanaovana làlam-pirenena? Firy amin’ireo trano 50 000 izao no efa mijoro? Aiza ny fiaramanidina ffiaraha-miasa amin’ny Airbus hanaovana “Transport de troupes” ho an’ny tafika hitondra ireo “commandro Parachutiste” ? Ilay fiaralanidina CASA aza tsy hita intsony, voalaza fa nalain’ny tompony fa nisy vola tsy voaloa, nodisoin’ny Minisitry ny fiarovana ny septambra 2021 fa antsika ary mandalo fanamboarana,… Lazaina fa hahaleotena ara-takafo isika alohan’ny hahavitan’ny fe-potoana hiasana kanefa ny tantsaha any Inde, Pakistan,.. no velomina. Vola 200 tapitrisa dolara hahafahana mamokatra amina tany 310 000ha any Bas Mangoky, misy làlana 169 km ampitohy an’i Toliara sy Menabe, misy tetezana lava indrindra eto Madagasikara mirefy 820 m, hisy toha-drano goavambe koa,…. Vita ve izany? Mbola fampanantenanana nirara-kopana no nataon-dRajoelina taorian’ny fanolorana ny governeemanta ny alarobia 16 martsa teo. Tsy adino ny niala bala noho ny valanaretina sy ny rivodoza. Tsy andron’ny fampanatenana intsony izao, fa androny fahatanterahana sy famaranana asa ! Tsy noterena na novozonina ny fanjakana hiteny an’ireny, ary izy no nampanantena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT