Politique

Tao anatin’ny 60 taona Ity no fitondrana kitoatoa indrindra


  • Zoma 11 Martsa 2022

Ity no fitondrana kitoatoa indrindra tao anatin’ny 60 taona. Tena tanteraka tao anatin’ny 3 taona, fa tsy miandry 5 taona akory ny hadalana rehetra tsy hita tao anatin’ireo mpitondra nifanesy.

Maro ny olona ambony tsy manana etika sy tsy mahay mitondra tena ankoatra ny mety ho tsy fahafehezana ny asa iandraketany. Depiote milako sy miady amin’ny ben’ny tanàna. Minisitra sy depiote mifampitandroka. Depiote mitandroka sy manao tsinontsinona mpampianatra. Minisitra voatsikera amin’ny lafiny fitondran-tena sy fiainana manokana. Vadina minisitra voatonontonona ho nampiasa fitaovam-piadiana sy mitazona fitaovam-piadiana tsy tokony ho eny amin’ny sivily. Minisitra samy minisitra mifamely am-pitaka, ary efa tany amin’ny resaka famoahana dosie io no efa nandeha fa tsy vao taty amin’ny resaka valizy misy kodiarana. Mety ho zavatra maivana ireny, fa ny tena goavana dia ny politikam-pitantanana tsy marin-toerana, famahanan-dalitra sy fampanantenana poakaty lava ny vahoaka, tsy fitazonana ny teny nomena,… Ny vina sy programa misavoamboana, saingy vitan’ity Fitondrana ity hatramin’ny nampiasa mpaminany sandoka (Johannah) tamin’ny andron’ny coronavirus, fa i Madagasikara no hanavotra an’izao tontolo izao noho ny ezaka ataon’ny Fanjakana Rajoelina. Aiza izany izao ? Ny vina am-polony miliara, fa ny vola miditra sy iainan’ny firenena mety antsasaka miliara isan-taona ; ny sonia tany Frantsa ny fitrosana ny vola 151 tapitrisa euros hanaovana ny teleferika, ary aorian’izany vao hoe : hanao fanadihadiana samihafa, toy ny resaka toe-tany,... Lasa alohan’ny omby ny sarety ! Tompodankan’ny fitantanana tsy mangarahara, kolikoly goavana,... Maro be ireo tany aloha, fa io izao ny raharaha CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) toa atao fandoarana vola. Io sisa no hany mba orinasam-panjakana mahavelon-tena, kanefa tsiriritina ny vola ao aminy ary ny Filoha mihitsy aza moa no isan’ny naneho ny janoary 2020 fa misy 300 miliara Ar ahafahana manao ny tetikasany. Ny Air Madagascar efa potika sy rava, nanomboka tamin’ny tetezamita, ary io maty tanteraka sy novaina anarana io. Toa misy ambadika hanomezana tsikelikely azy ho an’ny tsy miankina? Nanana fiaramanidina firy isika talohan’ny 2009 dia firy amin’izao ? Ny jirama moa mitsipozipozy, saingy mbola nisy an’ireny ampamoaka fa volabe 1 miliara mahery nifampizaran’ny mpitantana.

TOMPONDAKAN’NY FANITSAKITSAHANA LALANA
Any amin’ny resaka etika sy fanarahan-dalàna, tompondakan’ny fanitsakitsahana izany ny Fitondrana. Ty ny fanjakana no natao hanaraka lalàna, fa ny lalàna no tefeny hifanaraka amin’izay tiany. Isan’ireny ny sata mifehy ny mpanohitra tsy nampiharina, fa nezahina notefena araka izay tiana. Ny governora tsy misy velively ao anaty lalàmpanoranana. Voalaza mazava ao amin’ny andininy faha-154 amin’ny lalàmpanorenana, fa ny Lehiben’ny faritra dia Fidiana amin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara. Sady tsy voafidim-bahoaka saingy omena fahefana feno hitantana ny volam-panjakana, asaina manao làlana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT