Taorian’ny nandraisany ny mpiraki-draharaha Amerikanina Tobias Glucksman ny alarobia 21 Jolay tolakandro, nifanakalo hevitra mikasika ny toe-draharaha politika,
sosialy, ekonomika, ary ara-pahasalamana, dia nandray diplaomaty vahiny hafa indray i Marc Ravalomanana omaly. « Mbola faly ihany koa ny tenako nandray ny Ambasadaoron' ny République Fédérale d'Allemagne Andriamatoa Michael Derus anio Alakamisy 22jolay 2021 », hoy ity Filoha teo aloha ity omaly. Tsy nisy nipika kosa ny resaka, fa tatitra tsotra hoe nandray ambasadaoro fotsiny no navoakany tao amin’ny pejy ofisialiny. Fifandrifian-javatra ihany ve ny fanatonan’ny diplaomaty vahiny misesisesy an’i Marc Ravalomanana ? Ao anatin’ny vanim-potoana mafampana eto amin’ny firenena ihany koa etsy an-daniny no isehoan’izany. Amin’ny diplaomasia sy ny politika, dia tsy tongatonga ho azy izany. Manara-maso akaiky dia akaiky ny toe-draharaha eto ny firenen-dehibe sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena. Mety manao fakan-kevitra sy mifampizara vaovao amin’ireo heveriny fa olobe tsy azo hihodivirana. Manao tatitra ihany koa any amin’ny sehatra mampaniraka azy avy. Henjana ny toe-draharaha sy ny toe-javatra miseho, ary mailo sy mijery akaiky an’izany ny iraisam-pirenena mba tsy hilazana fa mety tafiditra mivantana na ankolaka ihany koa amin’ny zava-miseho eto. Andrasana izay mety ho fanambarana sy fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eo anatrehan’ny toe-draharaha miseho satria iray amin’ireo mpitarika politika sokajiana ho tsy azo hihodivirana ny tenany izay lehiben’ny mpanohitra RMDM, ary hanao fikaonan-doha nasionaly izy ireo anio sy rahampitso.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.