«Ny olona nanongam-panjakana tsy ho demokraty, tsy hiraharaha izay demokrasia sy lalàna na lalàmpanorenana. Tsy hiraharaha firy izay fahoriam-bahoaka izany fa izay ny laharam-pahamehana voalohany ho azy dia ny hoe :
ahoana ny fomba ahafahana mangorona harena sy mijanona faran’izay ela eo amin’ny fahefana », hoy ny mpandinika ara-politika, efa mpikambana tamin’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny fotoan’androny. Aminy, ny olom-pirenena no mila mandinika hoe : ahoana ny fomba hanaisorana na tsy hamerenana azy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana intsony. Moa tsy izany ve ny zavatra miseho ankehitriny ? Miharihary ny fandika-dalàna amin’ny endriny maro. Ara-politika, ireny niaraha-nahita ireny ny zava-niseho nandritra ny famoriam-bahoaka nataon’ny Filoha izay ambaran’ireo vovonana sy hery politika samihafa fa nandika lalàmpanorenana noho ny fanetsehana ny komity mpanohana amin’ny fifidianana, nampiasa loko politika, nampiharihary ny fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny antoko politika,… raha ny voafaritry ny andininy faha-39 sy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana. Tsy misy hiraharahian’ny mpitondra izay fitoriana any, ary azo antoka fa tsy hisy vokany izany satria olony ny maro an’isa na ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sy Vaomieram-pifidianana. Tsy vao izao no nisy fanitsakitsahan-dalàna sy lalàmpanorenana izany, fa efa hatry ny ela, fa vitavita ho azy hatrany. Izany governora izany tsy misy ao anaty lalàmpanorenana fa lehiben’ny faritra no misy ary vidian’ny vahoaka fa tsy tendrena raha ny voalazan’ny andininy faha-154 amin’ny lalàmmpanorenena fa tsy misy Fanjakana hiraharaha an’izany ankehitriny, ny lalàna mifehy ny mpanohitra natao tamin’ny tetezamita, ary ny Filoha Rajoelina no nilaza fa hanaiky an-dRavalomanana ho Lehiben’ny mpanohitra rehefa lany fa tsy mahamenatra azy ireo ny mitsipika izany aty aoriana. Ny lalàna no natao hanaraka ny fitondrana ankehitriny fa tsy izy no natao hanara-dalàna. Ny afera maloto samihafa miseho avokoa fa vitavita ho azy. Tamin’ny tetezamitan’ny 2009 sy tamin’izao fitondrana izao no betsaka indrindra ny afera maloto teo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny kolikoly avo lenta, fanodinkodinana volam-panjakana, fandraofana vola tao amina orinasam-panjakana, orinasam-panjakana banky ropitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.