Politique

Tany misy ny orinasa ALMA Hisy fananganan-javatra ataon’ny CUA


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Namoaka ampahibemaso tao amin’ny tambajotran-tserasera ny fihaonana tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo ny Mpanolontsaina Monisipaly avy amin’ny Komba Rtoa Hilda Hasinjo Ravelonahana.

 

 

 

 “Vao niditra aho dia nilaza izy hoe misaotra nanaiky nahaona tamiko « par courtoisie », izaho namaly azy hoe “normal” isika raha mihaona. Na izany aza, nahasadaikatra anay ny fiantsoana manokana satria ny KOMBA dia Toavina sy Hilda”, hoy ity Mpanolontsaina ity. Noho Rtoa Hilda Hasinjo anaty “Kaomisionina Sosialy” no antony niantsoana azy, raha ny valin-tenin’ny ben’ny tanàna. “Misy tetikasa hananganana « logements sociaux” an’ny CUA miainga. Afaka roa volana eo dia handeha ny asa. Hatao eo amin’ny tany misy ny ALMA eo Ambohimahitsy. Tanin’ny CUA hono izy io. Satria hono ny KOMBA toa manohatra hatrany izay tolo-kevitry ny ben’ny tanana dia niantso ahy izy mba hiditra ao anatin’ny kaomisionina mamolavola io tetikasa io”, hoy ny tatitra nataon’io mpanolontsaina io. Ho azy, raha resaka “logement” dia ilay “droits” isan-karazany nampidirina mikasika ny “reparation” ireny no tokony ho jerena akaiky aloha, ary tokony alana ao anatin’ny teti-bola fa mamono ny mponina. Namaly ny ben’ny tanana hoe arosoy ny fanovana tiana hatao mikasika ny teti-bola fa efa handeha ny “budget primitif” ary afaka ampidirina ao anatin’izany ireo fanovana ireo. Eo anatrehan’ny tsy faneken’ny Mpanolontsaina ny fanovana nentin’ny KOMBA, dia nilaza ny ben’ny tanàna, fa hovaina ny fomba fandaniana ny tetibola.Mikasika ny saran’ny fitsaboana, dia tsapa fa tsy mahalala ny votoatin’ny sarany ampidiriny ao anaty teti-bola ny ben’ny tanàna satria gaga izy rehefa nilazana fa sarany vaovao vao nampidirina ilay 10 000 ariary amin’ny fiterahana io, hoy I Hilda Hasinjo Ravelonahiana. Mbola baraingo kosa ny hidirany na tsia ao anatin’ilay Kaomosionina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT