«Tsy miala amin’ny filoha Ravalomanana ary miandry ny fahatongavany ny Tanora TIM Vakinankaratra », hoy ny CT Didier Radert raha nandray fitenenana nandritra ny hetsika tao amin’ny Kianjan’ny finoana, Magro Behoririka ny sabotsy 13 oktobra lasa teo.
Tamin’ity fotoana ity dia nanao diabe niakatra teto Antananarivo ireo solontenan’ny tanoran’Antsirabe nanamafy ny hetsika sy naneho fahavononana tanteraka amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa tsy mbola nisy filoham-pirenena nahavita be sy nitsinjo ny tanora sy ny ankizy raha tsy ny filoha Ravalomanana ihany. Hiarahan’ny maro mahita amin’izao fotoana fa sahirana ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny zanany hianatra kanefa tamin’ny andron’i Dada dia nilamin-tsaina ny rehetra.
Ankoatra izay dia nambarany ihany koa fa izy irery no nahavita asa nivaingana teto amin’ny firenena ho an’ny rehetra. Nasian’ny CT Didier Radert resaka ihany koa ny fahatongavan’ny ireo iraka iraisam-pirenena, ka nolazainy fa tsy tokony hivaona amin’ny fampiharana ny tondrozotra ny dian’izy ireo eto Madagasikara fa raha hafa noho izay dia efa zavatra hafa mihitsy ka tsy hipetra-potsiny izy ireo fa hanentana ny vahoaka hanamafy ny fitakiana satria mbola ny filoha Ravalomanana ireny no filoha voafidim-bahoaka naongan’ny sasany teto. Nialoha ity fiakarana ny kianjan’ny finoana ity moa dia nentina nitsangantsangana tao an-drenivohitra ireto tanora TIM ireto. Nisy ny fitsidihina faritra maro teto Antananarivo noho ny ezaky ny filoha lefitra voalohan’ny PDS Randrianarison Olivier manokana mba ahafahan’ireo tanora mahafantatra ny renivohitr’i Madagasikara. Nahafaly tanteraka ireo tanora io satria maro tokoa no tsy mbola niakatra ny renivohitra tamin’izy ireo.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.