Politique

Tanora TIM Toamasina “Andao hanala izao fomba fitondrana izao”


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Mandalo eto Antananarivo ankehitriny ny solontenan’ireo tanoran’ny antoko politika Tiako I Madagasikara,

 

 

 

 

Toamasina, tarihin’ny filohany, Tokiniaina Razanadrakoto. Nirary soa ny filohan’ity antoko ity sady filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Marc Ravalomanana, izy ireo ny zoma teo ary nampahafantatra ny fipetraky ny tanora TIM Toamasina manoloana ny toe-draharaham-pirenena kosa ny sabotsy. Mampikaikaika ny olona ny zava-misy ankehitriny ary na tsy te hiditra anaty politika aza izy ireo dia tafiditra ho azy satria miantraika amin’ny aty vilaniny ny zava-misy. Tsy azo ekena intsony ny fitondrana misy satria latsaka an-katerena ny firenena ary raha mijery ny tarehimarika iraisam-pirenena isika dia gisitra tanteraka izao I Madagasikara ary ao anatin’izay fahantrana izay. Ho faty noana ve isika vahoaka sa hihetsika? Tsy manohitra bontolo izahay fa mamakafaka hoe mety tokoa ve izao fitondrana izao? Manomana ny paikady tokony atao rehetra ahafahana manetsika ireo tanora izay tena mahita fa tsy mety intsony ity fitondrana ity. Na ny olona nanohana izao fitondrana izao ao amin’ny renivohitry ny Betsimisaraka azy dia efa miala tsikelikely ary manatona aty amin’ny RMDM sy TIM satria diso fanantenana. Be ny fampanantenana saingy ity fitondrana ity angamba nanangana vato fototra fotsiny no tena ataony. Rehefa hitantsika fa tsy mety izany dia andao isika hitsangana hiaraka hanala izao fomba fitondrana izao, hoy hatrany ny tanora TIM Toamasina.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT