Hatramin’ny tsy naha teo amin’ny fitondrana azy dia nipetraka ho antoko politika mpanohitra hatrany ny antoko Tiako I Madagasikara, hoy ny filohan’ny Jeune TIM eto Analamanga, Heriniaina Razanadrakoto.
Tsy manohitra fehy manohitra fa manana adidy hanohitra ny tsy rariny sy tsy fahamarinana, hoy izy. Manomana fifidianana isika izao ary ao anatiny tanteraka amin’izany koa ny antoko TIM. Ao anatin’ny fanentanana ny vahoaka manontolo fa tsy ny anaty antoko ihany tamin’ny fijerena ny anarana anaty lisi-pifidianana tao anatin’ny fotoana nahafahana nanao izany. Rehefa tonga moa ny fotoana hahatongavan’ireny lisitra ireny indray dia anaraka izany hatrany. Ho an’ny tanora Tiako I Madagasikara eto Analamanga manokana dia ao anatiny tanteraka izao amin’ny fandaminana ny eny ifotony na “base” mba hahafahana miatrika ny aloha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Tsy mipetra-potsiny ny tanora TIM ary tsy Analamanga ihany fa manerana ny nosy mihitsy manoloana izany fanomanana fifidianana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.